Toa lasa mitady izay hanilihana sy milalao saim-bahoaka, ary toa tsy te ho tompon’andraikitra, ka nilaza fa mampametra-panotaniana ny fitarazohan’ny « délestage » tamin’ity vanim-potoana main-tany ity, nefa mitovy ny fatran’ny solika nampiasaina ampiodinana ny milina tamin’ny erintaona sy ny amin’izao. Nokianiny ihany koa ny fomba fiasan’ny tompon’andraikitra sasany ao amin’ny JIRAMA momba ny fandrindrana ny solika mampiodina ny milina any amin’ny faritra, na koa ny fampirisian’izy ireo ny « branchement illicite » izay miteraka faty antoka ho an’ity orinasa ity. Naninona no tsy nojerena izany hatramin’izay fa ao anatin’izao vanim-potoana mivaivay izao vao mody mitady izay hamaharana ? Naman’ny miaiky aloha izany ny filoha fa tsy nisy fivoarana mihitsy momba ny politikan'ny angovo teto tao anatin'ny 5 taona, fa poakaty ireo fampanantenana notanisaina hatrany amin’ny 2018 toy ilay 400MW anatin’ny 5 taona, nilazana ny fiandohan’ny taona 2022 fa 6 ka hatramin’ny 8 volana dia hivaha, rehefa vita ny milina faha-4 ao Andekaleka dia milamina,… Izao mivadika 1000MW ao anatin’ny 5 taona indray rehefa tsy hita ny 400MW 5 taona,... Dia raikitra indray omaly fa tsy tokony ho tapaka ny jiro amin'ny ora fiasana mandrapahatongan'ny ora hatorian'ny olona, amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10 ora alina. Iray volana katroka taorian’ny nilazana fa haodina ny milina miisa 2 na « turbines » mandeha amin’ny solika nolazaina fa vahaolana vonjimaika, dia nanome toromarika ny hampiasana ireo milina mandeha amin’ny solika ny Jirama, izay nambaran-dRajoelina fa hampihena hatramin’ny 80% ny fahatapahana. Efa tamin’ny 30 septambra no nilazana, fa halefa amin’ny ora be mpampiasa herinaratra amin’ny 5 ora ka hatramin’ny 9ora alina eo, mandany 40 000L raha halefa 4ora isan’andro, ary mila 200 000 000Ar isan’andro. Niakatra kely indray ny tontona omaly, ka nilazan’i Andry Rajoelina fa eo amin’ny 300 000 000Ar isan’andro raha miodina adin’ny 5ora, izany hoe 9 Miliara Ariary ao anatin'ny 1 volana. Inona no tsy nanaovana an’io taorian’ny toromarika sy ny kabary tamin’ny iray volana lasa ? Sa lalaovina mihitsy ka ao anatin’ny fahatezeram-bahoaka no mody milaza fa mamaha olana ? Tena nomena ny fahafahana ara-bola hanao izany ve ny Jirama sa ny baiko nandeha fa ny vola tsy nisy ?
MILALAO SAIM-BAHOAKA
Miharihary hatrany ny filalaovana saim-bahoaka sy ny tsy tena fahafehezana ny toe-draharaha fa resaka ambony latabatra sy seraseran’ny famonoana afo no betsaka satria miakatra ny maripana sy fahatezeram-bahoaka. Mby aiza ny tohin’ilay drafi-panarenana na « plan de redressement » natolotry ny teo anivon’ny Jirama izay isan’ny tena avokavok’io ny ara-bola ? Zary lasa fanao isaky ny 3 herinandro na isaky ny tapa-bolana ny filazana fa hijery sy hamantatra ny tena olana, nandeha ny « tsy maintsy », « rahampitso dia rahampitso », « izao no ataontsika », izay saika ireo efa nolazaina teo aloha ihany no miverimberina, mbola poakaty ny fahatanterahan’ny ankamaroany. Lasa any Burundi ingahy Filoha ka any izany no hitazana ny akony !
« PARCS SOLAIRES » MITARAZOKA
Nampanantena indray moa i Andry Rajoelina fa hapetraka manomboka amin'ny herinandro ho avy io ihany koa ny "Parc Solaire" 20 Mw. Ankoatra izay, nanome toromarika mba hananganana ny « panneaux solaires » tokony hamokatra herinaratra 50MW izay efa tonga ao Toamasina. Efa hatry ny ela no nihitsoka tao Toamasina ny ampahany, ary ireo ilay nampanantenaina fa hitsangana mialohan’ny faran’ny taona 2024, hampihena hatrany amin’ny 18 tapitrisa litatra ny fampiasana soliky ny Jirama, hampihena 80 miliara Ar ny fandaniana solika,… saingy mandrak’ity ny androany mbola ny hatomboka sy ny hanomboka no miverimberina. Mihitsoka ao Toamasina ka ny vola saran’ny fijanonany ao amin’ny seranantsambo aza toa olana be ? Ankoatra izay, ho apetraka ny milina mamokatra herinaratra hatrany amin'ny 105 Mw mialohan’ny volana Mai 2025, hoy hatrany ny filoha. Tombanana ho io ilay toby mpihary herinaratra maty kapoka avy any Inde, efa roa taona teo tsy niasa, mandeha amin’ny solika. Novidiana ohatrinona ? Toa mbola ho ela vao ho voatsabo ny aretin’ny Jirama ary misy aza ny vahaolana toa miteraka olana ka moa tsy any amin’ny fanamorana ny fahafahan’ny vahoaka isan-tokantrano misitraka angovo mahaleotena ve no vahaolana ?
Toky R
nifoha indray ny ambara fa vahaolana vonjimaikan’ny Fanjakana Rajoelina hanalefahana hatrany amin’ny 80%
Tsy ampy sakafo Malagasy, tsy ampy rano, tapaka jiro, tsy ampy fidiram-bola, maina ny molotra,
Tsy hay intsony na hanaronana ny raharaha volamena izay hita ho mampifanolana ny filoham-pirenena
Manampahaizana manana ny maha izy azy eo amin’ny tontlon’ny informatika,
Miha mangatsiaka hatrany amin’izao fotoana izao ny fifandraisana ara-diplaomatika
Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny fampahalalam-baovao Kaomorianina teo