airtel

Actualités

12-juin-2024

ADY AMIN’NY VALALA ANY ATSIMO

Velon-taraina ny mponina, tsy misy hafitsoka ny Fitondrana

Sample post image

Mihamahazo vahana hatrany ny andiam-balala any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy.

12-juin-2024

Velaran-tany mpamoka-bary amina ha maro no efa rakotra antony mampitaraina fatratra ireo tantsaha mpamokatra. Hatreto anefa dia mbola tsy hita ihany izay fepetra raisin’ny Fitondram-panjakana. Resahina ombieny ombieny fa efa mamolavola paikady izy ireo saingy indrisy. Efa tonga any an-trano ny valala hoy ny mponina. Vao omaly indray izao dia fantatra fa namolavolana programan’asa mba hisorohana ny fiverenan’ny andiam-balala ao anatin’ny 3 ka hatramin’ny 4 taona ireo Ministera voakasika. Ankoatra izay dia hisy kosa ny fanovana sy fanatsarana ny rafitra entina miady amin’ny valala (IFVM). Ny mahamaika ny mponina anefa dia ny fijerena azy ireo amin’izao fotoana izao aloha. Efa nisymoa ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka hahafahana manao ny ady an’habakabaka ary hitohy kosa ny ady an-tanety amin’ny andiam-balala izay andrasana indray ny mety ho vokany.
Pati
Legende : Sady mamono valala tahaka izao ny mponina no maka mba hatao laoka !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap