airtel

Actualités

30-déc-2024

Afera goavana, trafikana harem-pirenena

40 tapitrisa Ar no hanofana « passeport diplomatique »…

Sample post image

Nalaza tato ho ato ny resaka trafika avo lenta nampiasana ny fahazoan-dàlana toy ilay 53,7kg tratra teny Ivato ny 23 desambra teo.

30-déc-2024

Ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny Chancellerie Diplomatique Soananata Fanambinana Julien Dersen no namoaka ny vahazoan-dàlana hitondra entana ara-diplaomatika na «autorisation de port de valise diplomatique », izay nambara fa sandoka. Ifampitadiavana ity farany ankehitriny satria namoahana didy fampisamborana. Sarotra inoana ho mbola eto an-tanindrazana. Midika aloha izany, raha miainga amin’ity afera goavana tratra itony, fa atao fitaovana hanamorana ny trafika ny resaka iraka diplaomatika, ary efa tambajotra goavana io. 40 tapitrisa ariary no hampanofana ny « passeport de service » sy « passeport diplomatique », raha ny fanadihadiana natao. Izay manana an’ireo mitondra « valise diplomatique » na « colis diplomatique » tsy azo savaina na miditra na mivoaka ny Firenena. Dia afaka maka sary an-tsaina ny rehetra hoe : raha mahavita mandoa an’io volabe io ny mpanao trafika dia mety ohatrinona isaky ny mandeha izany ny teti-bidin’ny harem-pirenena entiny ? Voafaritra ao anatin’ny Fifanarahan'i Vienne izay iraisam-pirenena manan-danja ny fampiasana azy io, mamaritra ny fepetra sy ny zo momba ny diplomaty, ny fanekena sy ny fiarovana amin'ny iraka diplomatikam-panjakana ary ny fifandraisana ara-diplomatika amin'ny ankapobeny. Natao tamin'ny 1953 tamin'ny Fivorian'i Vienne ho an'ny fanamafisana ny fitsipika momba ny fifandraisana diplomatikam-panjakana sy ny fiarovana ny iraka diplomatikam-panjakana sy ny agents diplomatiques. Anisan'ny fanekena manan-danja ao amin'ny Fifanarahan'i Vienne ny fepetra mikasika ny fiarovana sy ny fandrarana ny fanohintohinana tsy ara-dalàna amin'ny fitaterana antontan-taratasy sy entana manan-danja, amin'ny alalan'ny valise diplomatique. Voaaro tanteraka ny valise diplomatique amin'ny fanadihadiana, fisavana, na fepetra hafa amin'ny fanjakana mpampiantrano (izany hoe, ny firenena izay ipetrahana na iasàna ny iraka diplomatikam-panjakana). Ireo valise diplomatique dia tsy azo sokafana, tsy azo hatonina, ary tsy afaka atao fanaraha-maso amin'ny alalan'ny « rayons X » na fanaraha-maso elektronika. Izany no zary lasa hararaotina hanaovana afera maloto samihafa mifandraika amin’ny trafikana harem-pirenena goavana eto amintsika. Midika io fa tsy olon-tsotra sy olonolom-poana no ao ambadiky ny trafika maro samihafa fa tena betsaka no mpitondra ambony sy manana fahefana politika. Anisan’ny endrika isehoany ny fampiasana ny « immunité parlementaire » ka ireny niaraha-nahita ireny hoe : solombavambahoaka no tratra ambodiomby amin’ny trafikana sokatra, solombavambahoaka no mampiasa anarana andrim-panjakana hanomezana fahazoan-dàlana hitatitra hazo sarobidy, solombavambahoaka tratra amin’ny afera sy trafikana volamena, solombavambahoaka teo aloha no malaza ratsy amin’ny afera fanondranana biby toy ny « hippocampes » sy tanalahy, solombavambahoaka no mizara bala amin’ny olona,…
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

30-déc-2024

Kamiao miisa 3 nitondra hazo voamboana (palissandre) miisa 341 sy hazo ala (Nato) miisa 264

Card image cap
30-déc-2024

Mandrak’androany, mbola mijanona ho isan’ny olana goavana manerana ny Nosy

Card image cap
30-déc-2024

Faly sahirana ny rehetra teo anatrehan’ny oram-be ny andron’ny omaly tapany hariva.

Card image cap
30-déc-2024

Ny vorontsiloza raha araka ny fanadihadiana natao no tena tian’ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy

Card image cap