airtel

Actualités

10-juil-2024

Afera Mahavitara Sylvestre

« Tsy nahefa ny PAC, tokony hisitraka ny zo politikany izy »

Sample post image

Tsy mahefa (incompétent) intsony ny ao amin’ny fitsarana ratsam-piampangana ambony

10-juil-2024

chambre d’accusation) ao tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC second degré mikasika ny ny raharaha depiote Mahavitara Sylvestre, hoy ny mpitsara nandritra ny fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjy maika na « Liberté provisoire » na LP omaly 09 Jolay 2024 maraina. Efa tsy anjaran’izy ireo intsony fa efa ho tsaraina ao amin’ny « cours d’appel » ao amin’ny PAC ity raharaha ity. Mbola tsy nisy anefa ny taratasy manondro ny fotoana hanaovana izany fitsarana izany. Fehiny, tsy nahazo valiny nahafa-po na « Eny » na « Tsia » nandritra ny fitsarana, kanefa efa tsy « L.P » tsotra intsony no nangatahina fa amin’ny maha olom-boafidy lany solombavambahoaka an’i Mahavitara Sylvestre raha ny setriny avy amin’ireo manodidina azy. Tsy nisy afa-niatrika ny fitsarana eny fa na i Mahavitara Sylvestre aza, fa ny mpisolovava ihany. « Nisy ny didy tany amin’ny ambaratonga voalohany nanameloka azy, kanefa nanaovanay fampiakarana. Miato aloha izany didy izany noho fampiakarana ka iandrasana ny fitsarana eny anivon’ny Fitsarana ambony. Mbola tsy misy zo very, mbola tsy misy didy raikitra mahakasika ny dpepiote Mahavitara Sylvestre, mbola misitraka ny zo sivily sy ara-politika manome azy ny fahefana sy ny sata maha parlematera azy », hoy mpisolovava Lahiniriko Fredonna. Nambarany fa raha ny tokony ho izy dia tokony hanao ny sata maha depiote nifidiananan’ny vahoaka azy izy. Ny fahalaniany rahateo tsy iadin-kevitra intsony satria ny HCC mihitsy no efa namoaka didy ofisialy fa lany ho depioten’i Vangaindrano izy, raha ny fanazavana. Notsipohina hatrany fa ny didin’ny rantsam-piampangana ambony ady heloka aty amin’ny PAC dia nilaza fa tsy mahefa satria efa hisy fotoam-pitsarana amin’ny ambaratonga ambony, kanefa mbola tsy nampahafantarina ny mpisolovava anefa ny fotoana hanatanterahana izany. « Tokony hisitraka ny sata sy ny zo maha solombamvambahoaka azy i Mahavitara Sylvestre. Ny antsojay sy ramatahora mahazo azy dia tsy izany velively ny sata repoblikanina sy ny demokrasia, ka tokony hajaina ny safidim-bahoaka », hoy io mpisolovava Lahiniriko Fredonna.

Tompon’andraikitry ny tsenambaro-panjakana na PRMP tamin’ny covid-19 I Mahavitara Sylvestre izay adminisitratera sivily ka tao anatin’izany io raharaha nahasaringotra azy io,… Manomboka mandeha ny fampitahana hoe : satria ve izy kandida tsy miankina dia natao an’izao fa ry Minisitry ny atitany teo aloha voarohirohy tamin’ny afera «écrans plats » an-jatony tapitrisa afabela sy misitraka ny zo maha solombavambahoaka ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap