airtel

Actualités

01-juil-2024

Afovoan-tany

Tratry ny maripana nidina ambany dia ambany

Sample post image

Namirifiry! Tena tratry ny maripana nidina ambany dia ambany ny faritra afovoan-tany teto Madagasikara omaly.

01-juil-2024

Raha ny naminavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro azy moa dia tafidina hatrany amin’ny 2 degre selsiosa izany tany Antsirabe tany. 5 degre selsiosa ny tao Ambositra ary 6 degre selsiosa ny teto Antananarivo. Maro ireo milaza fa tafiditra ao anatin’ilay tranga na «phénomène» antsoina hoe «Ophélie» na fanalaviran’ny masoandro ny tany no mahatonga izao hatsiaka be tsy zaka anaty ririnina izao ary misy milaza ihany koa fa tsy hifarana izany raha tsy any amin’ny volana aogositra any. Raha ny nambaran’ireo manam-pahaizana momba ny astronomia kosa dia tranga mandalo isan-taona io ary tsy marina ny filazana fa misy fiantraikany amin’ny fivoaran’ireo zava-maniry izany. Tsy azo lavina kosa nefa ny hoe misy ifandraisany amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fanimbana ny ala toy ny fanapahana hazo, doro tanety, tevy ala io fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao na fikorontanan’izany toetr’andro izany amin’izao io. Isan’ny miteraka izay fahapotehan’ny tontolo iainana izay ihany koa ny fampiasana ireo akora sy entona manimba sosona ozonina toy ny setroka fiara efa simba na fandoroana akora manimba fahasalamana samihafa. Tsiahivina fa vao herinandro lasa teo izay moa no nahatrarana mponina hatramin’ny zaza amam-behivavy efa miditra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanimbana ny ala tao amin’iny faritr’i Moramanga iny, raha ny tatitry ny Conservation international Madagascar.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap