airtel

Actualités

10-sept-2024

Ambasadaoro vaovaon’i Allemagne

« Tena manintona ara-toekerana sy ara-pizahantany i Madagasikara »

Sample post image

Hafatra voalohany amin’ny iraka ataon’ny masoivoho vaovaon’i Allemagne eto Madagasikara Atoa Oliver Knoerich

10-sept-2024

amin’izao fiandohan’ny taom-piasany izao ny fanamafisana fa manan-danja manokana amin'ny fiaraha-miasan’ny Firenena roa tonta ny fifanakalozana mifototra amin'ny fifampitokisana sy ny fifankatiavana, ary amin'ny toe-tsaina mahomby isian’ny tombotsoan’ny andaniny sy ny ankilany. Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Madagasikara sy Allemagne indrindra fa tombontsoa iraisana izay nambarany fa tsy nitsahatra nivoatra tato anatin'ny taona vitsy, indrindra amin'ny sehatry ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra, ny angovo, ny fiarovana ny loharanon-karena voajanahary, ary ny fanabeazana, araka ny fanazavany. Araka ny filazan'i Oliver Knoerich, Madagasikara dia tena manintona amin'ny lafiny ara-toekarena sy ara-pizahantany. Ny fisian'ny sampan-draharaha, fikambanana, ary orinasa alemà dia manaporofo ny fahalianana mitombo amin'i Madagasikara, izay firenena mpanondrana vokatra ara-pambolena sy akora fototra ilaina ho an'i Allemagne, hoy izy. Eo ny fomba firesaka ara-diplaomatika, fa tena mahatsapa ihany koa ny vahiny fa manana herijika ara-toekerana lehibe isika noho ny harena marolafy, ny fisintonana mpizahatany,... Tena omena lanja sy atodika ho an’ny Firenena hiadiana amin’ny fahantrana sy mba hivoarany ve anefa ireny ? Tena hain’ny mpitondra ve no mamadika izany ho hery ara-pampandrosoana sa lasa malaza tsy hihinana hatrany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap