airtel

Actualités

24-juin-2024

AMBOHIDRAPETO

Hangotraka ny « podium » rahampitso hariva

Sample post image

Hiavaka ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona ho an’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

24-juin-2024

Hikarakara podium lehibe ny Ben'ny tanana Nalinirina Andriantsilavo Mihary rahampitso Talata 25 Jona hariva. Eo an-tokontany malalaky ny kaominina no hanatontosana izany manomboka amin’ny 04 ora hariva ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana azy ireo mba tsy handeha lavitra fa eny an-tanana ihany dia mahita fety, indrindra amin’izao fotoana mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana izao. Hanafana ny fotoana mandritra izany i Nate Tex sy Micky ary Harena. Toraka izany koa i Ilou Belouh sy Tojomiary mpanentana.
Pati
Legende : Hafana ny eto amin’ny kaominina Ambohidrapeto rahampitso Talata 25 Jona alina !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap