airtel

Actualités

17-nov-2023

ANALAKELY AMBODIFILAO

Lehilahy nivoaka hiantsena maty teny an-dalana

Sample post image

Samy manana ny fomba hahafatesany tokoa ny olona tsirairay.

17-nov-2023

Lehilahy iray manodidina ny 33 taona izay marihina fa mbola herotrerony tokoa no maty nitambotsotra teny an-dalana raha hivoaka handeha hiantsena, omaly Alakamisy 16 Novambra hariva tokony ho tamin’ny 05 ora latsaka. Raha araka ny fahitan’ny manodidina azy dia toa nivembena izany ity lehilahy ity izay tombanana ho mety fanina ka nianjera tampoka. Niezaka ny nikosoka sy nikarakara azy iretsy voalohany nandritra izany saingy tsy tana intsony ny ainy. Raha araka ny tombana moa dia mety ho niasa sainabe loatra ity Raim-pianakaviana ity manoloana ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny ka tapaka lalan-dra tampoka. Misy ihany koa ireo mieritreritra fa mety misy tosi-dra izy ka mety faly loatra fa afaka mba hiantsena kely hitondra sakafo hody saingy indrisy. Ao ihany koa ireo mihevitra fa mety ho noana loatra izy. Mbola mijanona ho tombatombana avokoa anefa izany rehetra izany. Tsiahivina moa fa saika miaina ao anatin’ny adin-tsaina avokoa ny 80%-n’ny Malagasy amin’izao vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny ady tsy maintsy hatrehina isan’andro.
Pati
Legende : Matimaty foana ny ankamaroan’ny Malagasy vokatry ny hasarotan’ny fiainana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap