airtel

Actualités

12-avril-2023

Actualités

Andravoahangy tsena Namono tena tamin’ny poizim-boalavo ilay raim-pianakaviana

Sample post image

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona mahery teo ho eo omaly maraina no namono tena tamin’ny poizim-boalavo teny Andravoahangy tsena.

12-avril-2023

Mbola hita teny an-tanany ilay fonosana poizim-boalavo nohaniny raha araka ny loharanom-baovao azo ka voatery nampisotroina atody manta avy hatrany ity lehilahy ity namonjena ny ainy. Olana ara-tokantrano moa no voalaza fa nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Tsy nety nahatsiaro tena mihitsy anefa izy nandritra izany ka voatery naiditra etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ankoatra ity lehilahy ity moa dia nisy ihany koa olona namono tena naiditra tetsy amin’ity hopitaly HJRA nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska sy ny alatsinain’ny Paska teo. Ankizy no betsaka hoy ny vaovao ka vehivavy ny iray. Amin’ny ankapobeny dia olana ara-pitiavana no manosika azy ireny hanaotao foana tahaka izany. Tafiditra ao anatin’ny haketrahan-tsaina tanteraka moa na depression ny famonoan-tena izany hoe : karazana aretin-tsaina ihany fa maivana hoy ny manam-pahaizana.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap