airtel

Actualités

23-janv-2023

Actualités

Andrin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika Miisa 3 ireo ahiana hihotsaka any amin’ny lalam-pirenena

Sample post image

Andrin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika miisa telo no ahiana hihotsaka ao amin'ny reniranon'i Varingohitra, 7km miala ny kaomina ambanivohitra Maroantsetra,

23-janv-2023

vokatry ny fiakaran'ny renirano izay nandavaka ny moron'ny lalam-pirenana fahadimy na RM 5. Andrin-jiro mamatsy herinaratra ny tanànan'i Maroantsetra avy any amin'ny foibe famokaran'i Vodiriana ireo andrin-jiro ireo, raha araka ny fantatra. Ho tapaka ny famatsiana any an-toerana raha toa ka mihotsaka ireo, izay efa eo amin'ny 1,50 m manamorona io renirano io. Nakatona ny fifamoivoizana manodidina io faritra io vokatr’izany. Hiezaka hamaha ny olana arak'izay fahafahany moa ny JIRAMA sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny any an-toerana, raha araka ny vaovao azo.
Pati
Legende : Andrin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika no ahiana hihotsaka any Maroantsetra
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap