ho an’ny tenindreny io daty io. Hankalaza io andro jobily io ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny arika sy zavatra ary olona malagasy na ITAZOMA ao amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary siantsan’ny mahaolona ao amin’ny oniversiten’Antananarivo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Fankalazana amin’ny fomban’ny siantsa amin’ny alalana vela-kevitra miompana amin’ny lohahevitra hoe “Tenin’ny tany: Antoky ny fanabeazana mahomby, fototry ny fandrosoana mateza” no hatao amin’izany. Zana-dohahevitra hovoaboasana kosa ny hoe «Ny fanabeazana amin’ny tenindreny», «Ny fampitana kolontsaina amin’ny tenindreny», «Ny serasera amin’ny tenindreny». Ao amin’ny Amphi-DEGS, ny zoma 21 febroary 2025 ho avy izao no fotoana. Amin’ny 8 ora sasany ny lanonam-panokafana. Famelabelaran-kevitra ravahana seho kanto no ho tohin’ny fandaharam-potoana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i