airtel

Actualités

05-juin-2024

ANDRO RIRININA

Nihena an-tsasany ireo olona tonga miety volo

Sample post image

Nihena an-tsasa-manilabe izao ny isan’ireo olona tonga miety volo eny amin’ny mpanety indrindra fa ny lehilahy

05-juin-2024

amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Noho ny hatsiaka diso tafahoatra efa niainana iray volana izao no voalaza fa anton’izany ka mahakamo ireo voakasika. Aleon’ireo lehilahy sasany noho izany manalavalava volo kely indrindra fa ho an’ireo tsy zatra miety matetika. Hampiasa satroka ba aza hataony ho an’ny sasany. Ho an’ireo tsy maintsy miety kosa fa efa zatra dia mitohy hatrany izany. Indroa isan-kerinandro no tsy maintsy mandalo ireto farany. Raha 20 isan’andro noho izany ireo lehilahy tonga miety volo dia lasa 10 isan’andro sisa amin’izao. Manomboka amin’ny 1500 Ar kosa ny manety lehilahy iray raha 2500 Ar no lafo indrindra miankina amin’ny halavan’ilay volo. Tsiahivina moa fa mbola haharitra 3 volana ny ririnina eto amintsika, izany hoe : tsy hifarana raha tsy any amin’ny faran’ny volana Aogositra mandray Septambra any ho any.
Pati
Legende : Zara raha mahazo vola entina mody ny mpanety amin’izao !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap