airtel

Actualités

23-oct-2023

ANGARANGARANA ARIVONIMAMO

Taksibrosy iray nahatrarana rongony 12 kg

Sample post image

Fiara fitateram-bahoaka sy entana ara-dalana iray avy aty Antananarivo ho any Tsiroanomandidy no fantatra fa

23-oct-2023

voasakan'ny zandary misahana fifamoivoizana teny Angarangarana Arivonimamo ny faran’ny herinandro teo. Rehefa nojerena teny ambony fitoeran'entana ka nosavaina dia nahitana fonosan-drongony milanja 12 kilao. Notanana natao fanadihadiana avy hatrany ny tompon'ny entana noho izany raha nogiazana hodorana eo anatrehan'ny manam-pahefana kosa ny rongony aorian'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Tsy nijanona teo ny raharaha notazomina ambala fanasaziana mandritra ny 10 andro ihany koa ilay fiara. Tany amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 51+500 moa no nahatrarana ity fiara fitateram-bahoaka ity raha tsiahivina.

 

Pati
Legende Ity ilay fiara fitateram-bahoaka sarona nitondra ilay rongony !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap