airtel

Actualités

07-oct-2024

Angovo fandrehitra mandripaka tontolo iainana

90 000ha ny ala ripaka teto tao anatin’ny 10 taona farany

Sample post image

Mbola tena miankin-doha betsaka amin’ny « biomasse » sy ny « énergie fossile » izany hoe :

07-oct-2024

ireo angovo manimba tontolo iainana sy ny manodidina ny petirôla ny loharanon’angovo fandrehitra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny 95% ny fianakaviana malagasy no mbola tsy tafiditra amin’ny angovo sy ny teknolojia maharitra sy madio amin’ny resaka angovo hoenti-mahandro. Mbola ny 35,1% monja amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra, ary misy elanelana lavitra be satria 60% amin’io dia amin’ny faritra an-tanàn-dehibe ary 15,1% monja ny an’ny tontolo ambanivohitra, raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2022. ambanivohitra (15,1%) tamin'ny taona 2022. Mihazakazaka ny faharipahan’ny ala, mihoatra ny 90 000 ha ny ala no voakapa nandritra ny folo taona farany. Ny vehivavy, ny ankizy ary ny vahoaka marefo no tena voakasika amin’ny tsy fisian’ny angovo madio, miaraka amin’ny fandraisana anjara latsaky ny 10% ny vehivavy amin’ny sehatra. Ny vokatra ratsy avy amin’ny tsy fidirana amin’ny angovo madio dia manimba, tsy vitan’ny tontolo iainana fa koa ny fahasalamana sy ny toe-karena ao amin’ny fianakaviana. Nanomboka ny herinandro lasa teo ny famolavolana ny politika ho an’ny fampandrosoana ny fandrehitra madio. Araka ny filazan’ny minisitry ny Angovo sy ny akoran’afo, ny firenena dia tsy maintsy manamafy ny famatsiam-bola amin’ny angovo madio ho an’ny rehetra, ary mamaly ny tanjona ara-tontolo iainana any Afrika. Ny firenena dia tsy maintsy miova mankany amin’ny angovo fandrehitra madio, maharitra ary azon’ny rehetra idirana. Hatreto anefa, tena azo lazaina ho mbola lafo ireo loharanon’angovo samihafa, toy ny herinaratra, ny gaz,… Ny herinaratra eto Madagasikara tsy vitan’ny efa kely ny mpisitraka fa mbola tsizarizary. Ny tetikasa sy fikarohana momba ny fitadiavana loharanon’angovo fandrehitra hialana amin’ny famotehana tontolo iainana ateraky ny fandripahana ala ekena fa efa misy, saingy mbola tsy tena mivelatra tsara na tsy ampy fanohanana. Ny tetikasa momba ny etanola izay ny vadin’ny filoham-pirenena mihitsy no niditra an-tsehatra ohatra dia nangina kanefa nisy famatsiam-bola azo ? Zary lasa fomba fanaon’ny mpitondra ny mitady sy mitaky famatsiam-bola amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana kanefa mitombo hatrany ny fahapotahana. Re foana ohatra ny fampahatsiavin’ireo mpitondra Malagasy rehefa miatrika fivoriana lehibe iraisam-pirenena raha tsy hilaza afatsy ilay 100 miliara dolara avy amin’ireo Firenena lehibe mpanimba tontolo iainana, izay toa efa navalon’ny fotoana, saingy ezahana tangirihana hatrany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap