airtel

Actualités

30-sept-2024

Actualités

Antananarivo mirehitra jiro Lasa Antananarivo mandrehitra kodiarana

Sample post image

Vazivazy fanao ankehitriny moa ity resaka nafarana sy ny tonga ity. Ankehitriny izany

30-sept-2024

izao dia Antananarivo mirehitra jiro no nafarana na nampanantenain’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha izay nametra-pialàna na koa hoe nitsoaka an-daharana, Naina Andriantsitohaina. Ankehitriny ny tonga anefa dia Antananarivo mandrehitra kodiarana. Sesilany izany, isaky ny fokontany, isan-kalina, ny herinandro teo. Saika naneho ny tsy fahafaliany mikasika ny fahatapahan’ny herinaratra hila tsy hiato sy ny fahatapahan-drano lavareny avokoa ny isam-pokontany teto Antananarivo renivohitra. Efa samy nahitana izay hetsika fandoroana kodiarana sy fanakanan-dalana na fitokonana amin’ny alina izay avokoa izany izao ny ankamaroan’ireo fokontany eto Antananarivo renivohitra toa an’Analamahitsy, Amboditsiry, Ambatomaro, Ankatso, Anjanahary II O, Ambohitrakely, 67ha sy ny maro hafa. Asa hoe hiitatra hatraiza izany vao hisy amin’izay ny vahaolana tena maharitra mikasika ity olana goavana nirongatra tao anatin’ny 15 taona mahery tsy mety voavaha ity. Ny tale jeneralin’ilay orinasa tokony hisahana izany anefa, raha tsiahivina, dia karamaina volabe 710.000 Dolara na 3.195.000.000 Ariary eo ao anatin’ilay 4 taona nifanarahana, izany hoe, 2,2 tapitrisa Ariary isan’andro. Izao vao mainka fitomboan’ny fahasahiranana izao ve izany no nandrasan’ny fanjakana malagasy taminy? Izao ve izany no vahaolana nandrasana ho entiny?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap