airtel

Actualités

18-oct-2024

Asa fa tsy rendarendra

Natomboka teny Antohomadinika ny AMA

Sample post image

Asa 3 avy hatrany no natomboka teny Antohomadinika centre omaly alakamisy tamin’ny alalan’ilay

18-oct-2024

tetikasa AMA (Asa Maharitra ho an’Antananarivo). Mikasika indrindra ny fanadiovana ireo lakan-drano izay miteraka fitohanan'ny rano ka mandoto ny tontolo ary miteraka tsy fahasalamana ho an’ny mponina. Nandraisana ireo tanora tsy an’asa teny an-toerana no nanaovana izao tetikasa izao, ary hanenika ny boriborintany 6 eto an-drenivohitra. Manasa an’ireo kandida hafa moa i Tahina Razafinjoelina (TR) mba hanolotra zavatra maharitra tahaka izao fa tsy rendrarendra sy petatoko foana no hitaizana ny vahoaka. Rehefa hanasitrana hoy izy dia ny antony mankarary no andao sitranina fa tsy ny endriky sy ny fisehon'ny aretina. Ity ilay Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA nambara nandritra ilay fandaharana manokana ny 7 oktobra 2024 lasa teo. Izay zavatra hita fa ho vita no resahana fa isika tsy hilaza mihitsy hoe ataontsika manidina daholo ny mponina eto hoy i Tahina Razafinjoelina. Ary izay tenenina dia tsy maintsy tanterahina. Fotoana ihany koa nahafahana niresaka mivantana tamin’ireo mponina teny Antohomadinika sy ny manodidina izy ity, ka dia nahitsy sy nivantana ny resaka,ka izay tena zava-misy no resahana. Isika afaka miresaka tsara, afaka miara-miasa, ary atao mangarahara ny zavatra rehetra hoy ity kandida atolotry ny antoko Tia Tanindrazana ity. Zava-dehibe ho anay izao hetsika izao hoy ny mponina ary tena ilaina mihitsy satria sady madio ny tanàna, mihena ny aretina, no miteraka asa. Manantena ihany koa izahay, hoy izy ireo fa dia tena asa maharitra tokoa no atao fa tsy hoe mandalo dia miserana. Ary mba hahita tombotsoa tokoa ny rehetra amin’izany. Ankoatra ny asa fanadiovana moa dia ao anatin’ny vinan’i Tahina Razafinjoelina sy ny Tia Tanindrazana ihany koa ny fametrahana jiro amin’ireo toerana tena mila izany eto Antananarivo Renivohitra.Tsy misy rendrarendra ny antsika fa tonga dia asa ho an’ny isam-batan’olona sy ho an’ny tombotsoa iombonana hoy i TR.
RTT
 

Dans la même rubrique

18-oct-2024

Lasa fambolena fahasahiranam-bahoaka ankehitriny ny fikarakarana taratasim-panjakàna eto Madagasikara,

Card image cap
18-oct-2024

Fanontaniana mipetraka voalohany amin’izao fotoana izao dia ny hoe roso amin’izay

Card image cap
18-oct-2024

Tandindonin-doza noho ny tsindry ataon’ny politisianina sy ny tompon’andraikitra ara-panjakana

Card image cap
18-oct-2024

Tra - tehaky ny Polisinny SCES noho ny resaka fisolokiana sy famarinan'olona ny teratany etiopianina iray ny 24

Card image cap
18-oct-2024

Niverina indray ny adin’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ireo fokonolona ao Androhibe mikasika ilay kianja filalaovam-baolina ao an-toerana.

Card image cap
18-oct-2024

Tsy misy fizarana fiara 4x4 izany ao Mitsinjo Namakia fa orinasa mpanao siramamy no misy any an-toerana hoy Atoa Anifo Antonio,

Card image cap