airtel

Actualités

12-juin-2024

ASSANATI FAMO GIDRAKA

"Nipoitra ny marina, tsy meloka i Prefe"

Sample post image

Nipoitra ny marina mikasika ny fidiran’ny Prefe-n’i Mahajanga teo aloha tany am-ponja

12-juin-2024

momba ilay raharaha vary loha. Nivoaka ny fonja soa aman-tsara ity tompon’andraikitra ity mialohan’izao fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena izao. Mankasitraka ny Fitondram-panjakana araka izany ny tenany izay nomarihiny manokana fa mba nijery ny fahamarinana. Maniry hatrany ny hanjakan’ny fahamarinana eto amin’ny tany sy ny firenena araka izany ny tenany. Ny marina mantsy hoy izy no manandratra ny firenena ary tsy misy olona mandala ny fahamarinana izany ka ho potika na ho resy noho ny hetraketraky ny sasany. Tsy manadino ny asa sosialy fanaony ity Filoham-boninahitry ny Fikambanana Assanati Famo Gidraka ity ankoatra izay. Lohalaharana amin’izany ny fanamarihana ny hidiben’ny Silamo izay homarihina atsy ho atsy. Ao anatin’ny fanatanterahana ilay teny filamatry ny Fikambanana manao hoe : “ Isika rehetra miaraka amin’i Assanati, ny Werawera tsy maintsy mandeha izany rehetra izany” izay hatao ao Mahajanga. Hanolotra vorona ho an'ireo mpanaraka azy ao amin'ny tambajotran- tserasera fesiboky ihany koa ny tenany amin’izao fankalazana ny fetin’ny 26 Jona izao. Amin’ny alalan’ny an-kitsapaka moa no hanatanterahany izany ka hahazo vorona hatao laoka amin’ny fety izay tsara vintana.
Pati
Legende : Ramatoa Assanati Famo Gidraka miezaka mandala ny fihavanana sy manampy ny mpiara-belona hatrany !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap