airtel

Actualités

19-juin-2023

Actualités

Asso Fanantenana « Azo arindra amin’ny tekinolojia ny fihavanana sy firaisankina »

Sample post image

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina ny sabotsy teo ny fikambanana Asso Fanantenana.

19-juin-2023

Nisy ihany koa ny fampahafantarana ho an’izay maniry hiditra anatin’izany fikambanana izany. Ny hamerina ireo lova tsara indrindra napetrak’ireo razantsika taloha, hoy ny fanazavan’izy ireo, no antom-pisianay. Tsy inona ireo fa ny fihavanana sy firaisankina, hoy ny filohan’izy ireo, Patrick Rakotonindriana. Ireo nampifandrindrana amin’ny fampiasana tekinolojia ankehitriny, mba hahafahan’ny olona mamorona renivola amin’ny fotoana hahazoany izany renivola izany. Io no antsoina hoe «Automatisme ara-bola», izay ity fikambanana ity izany no namorona azy voalohany. Nandrava ny fihavanana ny vola. Izay no antony nitadiavanay vahaolana ka nampivadiana ny fikambanana sy fihavanana miaraka amin’io «Automatisme ara-bola» io. In-dray mandeha mandoa latsakemboka 5000 Ariary daholo ny mpikambana dia ao anatin’ilay vovonana elektronika avy eo no handrindrana izany ho lasa renivola hisitrahan’ny mpikambana rehetra. Tsapa fa rava ankehitriny ny firaisankina sy fihavanana eto amin’ny firenena ka antony namoronanay ity hetsika fampandrindrana izany amin’ny tekinolojia ity izany. Ny tekinolojia koa isan’ny nandrava fihavanana voalohany teto amintsika. Efa nisy ny andrana natao ka hita fa ny fifandraisana ao anatin’izany dia sady miteraka fihavanana sy firaisankina ary vola ho an’ny tsirairay mba tsy ho zava-poana ny fidirana fikambanana fa mba hiteraka tombontsoa ho an’ny mpikambana rehetra. Ho porofoinay fa azo atao mifandrindra amin’ny tekinolojia ny fihavanana sy firaisankina, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

Hanana solontena amin’ny fiadiana izay ho Tompondaka eran-tany eo amin’ny familiana «karting »

Card image cap
06-sept-2024

Namoaka fanambarana mikasika ny famonoan’ny polisy an’ilay tovolahikely 19 taona

Card image cap
06-sept-2024

Azo hatao tsara ny manova ny tananan’Antananarivo renivohitra ao anatin’ny fotoana fohy

Card image cap
05-sept-2024

Rehefa mihaino tsara ny lahatenin’ny filoha Rajoelina ny talata lasa teo tamin’ny fitsenana ilay

Card image cap
05-sept-2024

Nahazo famatsiam-bola mitentina 7,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Governemanta Britanika

Card image cap
05-sept-2024

Amin’ny Sabotsy 07 Septambra ho avy izao vao ho maina tanteraka ny toetr’andro

Card image cap