airtel

Actualités

05-mars-2025

Azo « caméra » neverina fa nangalatra

Nampahatsiahy ny lalàna ny mpitandro filaminana

Sample post image

Lehilahy lehibe iray no azo sary tamin’ny kamera fanaraha-maso na «caméra de surveillance»

05-mars-2025

tao amina magazay iray omaly. Azo sary ho nandamina entana sy nampiasa ny kitapony ny lehilahy ka neverin’ny tompon’ity toeram-pivarotana ity ho nangalatra ary avy dia naparitany eraky ny tambazotra ilay horonantsary, hoy ny fanazavàna. Rehefa nosavaina ny entana teny aminy dia tsy nisy solosaina tao na iray aza kanefa izy neverina ho nangalatra izany. Tsy nangalatra akory ity farany fa nampirina entana tao anatin'ilay sakaosy nentiny fotsiny dia izay no azon'ny kamera sary. Efa naneho fialan-tsiny taminy ny tompon'ny magazay izay nanaparitaka ny sary sy nihevitra fa nangalatra izy, hoy hatrany ny fanazavàna. Nampahatsiahy moa, tetsy ankilany, ny sampan’ny mpitandro filaminana fa voararan’ny lalàna ny manaparitaka sarin’olona tsy mbola voamarina fa nanao heloka satria naman’ny fanalàm-baraka na «diffamation» izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap