manana ny tahan'ny fahantrana faran'izay ambony indrindra eran-tany ho an'ny taona 2024 dia hita ao avokoa, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao an’habaka iray eto amintsika omaly, niainga tamin’ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena. Araka ny filaharana midina amin'ny tahan'ny fahantrana dia ireto ireo : Madagasikara, Repoblika Demokratikan'i Kôngô, Mozambika, Sudana Atsimo, Malawi, Repoblikan’i Centrafrique, Zambie, Burundi, Repoblika Yemen ary Ny Niger. Ny Banky Iraisam-pirenena no namoaka izany tao anatin’ny tatitra momba ny fahantrana, ny harena sy ny planeta tamin'ny taona 2024. Efa nivoaka tamin'ny volana Oktobra, ary naverina tamin'ny vaovao ny 15 desambra desambra teo. Araka ny fanazavan'ny Banky Iraisam-pirenena ao amin'ity tatitra ity, miova arakaraka ny fenitra ny fizaran'ny fahantrana isam-paritra. Na izany aza, manamafy ity rafitry ny Bretton Woods ity fa amin'ny ankapobeny, ny ankamaroan'ny olona mahantra dia mivangongo aty Afrika atsimon’i Sahara sy Azia Atsimo. Manamarika ihany koa ny Banky iraisam-pirenena fa na dia tsy mahatratra afa-tsy 16 % amin'ny mponina maneran-tany aza i Afrika atsimon’i Sahara, dia mitazona ny 67 % amin'ny mponina maneran-tany miaina amin'ny fahantrana faran'izay mahery vaika. Ao amin'ny "Perspectives macroéconomiques de la pauvreté à Madagascar" na ny "Macro poverty outlook" (MPO) navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny volana Oktobra tamin'ity taona ity, dia nambara fa ny tahan'ny fahantrana eto Madagasikara dia tokony ho eo amin'ny 79,7% amin'ny taona 2024. Ity dia ny isan-jato amin'ny Malagasy izay miaina latsaky ny 2,15 dolara isan’olona isan'andro, ka heverina ho miaina amin'ny fahantrana farahidiny. Na izany aza, tokony hihena io tahan'ny fahantrana io ho 79,1% amin'ny 2025 ary ho 78,4% amin'ny 2026, raha ny tombatombana. Mbola betsaka anefa ireo fepetra hahatongavana amin’izany! Ankoatra izany, Madagasikara dia anisan'ny toekarena manana fahasamihafana lehibe amin'ny fidiram-bola. Ny elanelan'ny harena, izay mandrefy ny fahasamihafana amin'ny fidiram-bola amin'izao fotoana izao sy ny haavon'ny harena iraisam-pirenena izay voafaritra ho 25 dolara isaky ny olona isan'andro, dia tombanana ho 27,3 eto Madagasikara. Midika izany fa ny fidiram-bola eto dia tsy maintsy ampitomboina avo 27,3 heny amin'ny ankapobeny mba hahatratra io haavon'ny harena io. Mifankaiza amin’ny tatitra samihafa mikasika ny fahantrana maneran-tany miresaka an’i Madagasikara moa izany izao io ? Dia mbola sahin’ny Fitondram-panjakana indrindra fa ny Filoham-pirenena hatrany ny mirehareha fa ny firenena aty Afrika aza efa miaiky azy ho mpitantana mahay ? Moa tsy zary lasa fanesoana na sanatrian’ny vava fanompana ny Malagasy ve izany ? Raha tena mahomby ny fitantanana ary tena mandroso ny Firenena sy ny vahoaka dia ilàna tohana vonjy aina avy amin’ny mpamatsy vola izay io zarazaraina atao fitaovana politika io ve isika ?
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA