hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. 5 taona izay, hoy izy, no niaina fijaliana ny mpiasa malagasy. Mihatra amin’ny mpiasa daholo izao na ny herisetra ara-batana na ara-moraly na ara-toekarena, izay tena ngeza indrindra dia ny resaka karama. Lasa difotra ao anatin’ny hoe fanomezana ataon’ny fanjakàna ny vahaolana. Misy ilay antsoina hoe «transfert d’argent au ménage», izay indramina amin’ny mpamatsy vola hamatsiana ireo tokantrano ary io tena vao mainka mandetika farany ambany be mihitsy ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy satria na dia ny fanomanana ny taratasy fakàna laharana fotsiny aza dia ivezivezena herinandro amina toerana iray akana izany ny olona, amin’ny 4 maraina mandra-paharivan’ny andro. Tsy miasa no dikan’izany ary azo koa io dia mbola zaraina roa. Izany no nahatonga anay hatramin’ny 2022 no nisokatra tamin’ny sendika rehetra. Nisy ireny FSMM ireny moa ny taona 2023. Vahaolana no nokasaina entina nefa fisamborana no nasetrin’ny fitondràna izany satria hoe manohitohina ny fiandrianam-panjakana. Mitondra vahaolana indray izahay izao ary ho sokafana amin’ny fiarahamonim-pirenena izany, amin’ny mpanao politika, ny rehetra mba ho vahaolana maharitra satria 65 taona isika mbola vao mainka miha gisitra. Eo izany izao dia vao mainka manahirana satria raisin’ny fitondràm-panjakàna ho fahavalo indray izany izao ny Randrana sendikaly satria mandeha io ny sakantsakana rehetra hitondràna ilay vahaolana. Na hankalaza ny andro iraisampirenena aza teo dia nosakanana. Ny antoko mpanohitra izay heverina hoe mikatsaka ny hanonganana ilay fitondràna mijoro indray aza no tsy voasakana fa nalalaka tamin’ny hetsika nataony. Tsy mahagaga raha mihemotra ny laharan’i Madagasikara amin’izany resaka fampanjakàna ny demokrasia izany. Ny mpiasa mihitsy izao no sakanana tsy hitondra vahaolana. Rehefa tsy samy hanajanona ny ambom-pony sy hamoaka vahaolana miaraka ary hanery ny fitondràm-panjakàna handray izany ny mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena ary ny rehetra dia hihevitra ny ataony ho mety foana io fitondràna io ary ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy na KIMM izao dia tsy mangina akory fa mitety varavarana mihitsy mampahafantatra hoe ity ilay vahaolana. Ratsy daholo izao ny antotan’isa mikasika an’i Madagasikara mivoaka rehetra na dia teo aza ny fanadihadiana nataon’ny CCOC teto Antananarivo hoe 2200 no isan’ny olona nanontaniana dia eo amin’ny 45% eo no mbola matoky ny hivoaran’ny toe-draharaha amin’ny alalan’ny fifehezan’ny fitondràna ankehitriny azy. Ny asa mendrika aloha izany tsy tafapetraka ary toy izay koa ny asa mahavelona satria na fisondrotan-karama aza 5 taona izay tsy nisy mihitsy ary vao mainka miroso any amin’ny asa marefo isika io. Miandry ny fiaraha-mientana sy firaisankinantsika mpiasa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny
Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano
Nivory teto Antananarivo omaly 13 martsa ny IPAM na Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina,
Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpamokatra sy mpivarotra
Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa
Nihena ho 65 isa raha voalaza ho 300 isa teo aloha ny trano tsy maintsy harodana