airtel

Actualités

19-août-2024

BNGRC sy ny CRM

Miara-miasa akaiky amin’ny fitantanana loza sy tandindon-doza

Sample post image

Miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC na ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny

19-août-2024

kolikoly sy ny vokovoko mena malagasy na ny CRM ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidondoza. Hanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana an-tanana amin’ny maha - olona sy fanomezana fanampiana an’ireo olona traboina sy ireo fianakaviana tena marefo rehefa misy ny loza mitranga no tena tanjona.Isan-taona dia maro ireo hetsika iarahan’ny BNGRC sy ny CRM mba ahafahana manatsara hatrany ny haavon’ny lentan’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza sy ny tandidondoza any amin’ireo toerana rehetra misy ny tetikasa iarahan’izy roa tonta manao sy manatanteraka. Isany azo lazaina fa dingana lehibe vita tamin’ity taona ity ohatra ny fanaovana ny atrikasa fakan-kevitra ahafahana mamolavola ny paikadin’ny Faritra Anosy momba ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra (Plan régional de contingence – cyclone et inondation), izay fantatra fa isan’ny andry lehibe ifotoran’ny fandrindrana ny asa fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza aterak’izany voina voajanahary voalaza etsy ambony izany. Nanokatra izany ny governoran’ny Faritra Anosy, ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny BNGRC ary ny CRM. Avy tamin'ny Vondrona Eoropeana ny famatsiam-bola ary niarahan'ny BNGRC sy CRM niombon’antoka tamin'ny Vokovoko mena Alemana ny hetsika rehatra natao tamin'izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana natao tany amin’ny Faritra Anosy
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap