airtel

Actualités

03-juil-2024

Boriborintany I_Vola avy amin’ny CIAD

Sekoly sy paositry ny polisy maromaro nahazo fitaovana informatika

Sample post image

Omaly 02 jolay no natolotra ny sampan-draharaha mpisitraka ireo fitaovana

03-juil-2024

informatika noraisina noraisina afak’omaly, avy amin’ny volan’ny CIAD (Crédit d'Investissement destiné à l’Appui au Développement) tantanin’ny depiote ho an’ny Boriborintany I eto Antananarivo. Nifanaiky izahay sy ireo tomponandraikitra nandray azy ireto fa volam-bahoaka no enti-manana ny CIAD ka noho izany dia entina hanasoavana ny vahoaka ireto fitaovana ireto, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nambarany fa efa nohenoina rahateo ny filàn'ny sampana tsirairay mialohan'ny nandrafetana ny fanadaharan'asa nahafahana nahazo ireto fitaovana ireto. Analakely, Isotry, 67Ha, Ampefiloha ary Antaniavo no postes de police nisitraka izany. Lycée Jules Ferry Faravohitra sy Lycée Moderne Ampefiloha ary ENS kosa koa dia nahazo ny anjarany. Toy izany koa ny Distrikan'Antananarivo voalohany. Tanjona ny ahafahana manatsara ny fikarakarana ny vahoakan'ny Boriboritany Voalohany tsy ankanavaka, hoy io depiote io.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juil-2024

Miakatra ny daozin’ny fahatapahan-jiro manerana ny Nosy.

Card image cap
05-juil-2024

Efa hatrany am-piandohana no miasa ho an’ny vehivavy ny Jejoo le quotidien des femmes amin’ny alalan’ny

Card image cap
04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap