airtel

Actualités

06-juin-2024

BRICKAVILLE

Misy biby tsy fantatra mihinana biby fiompy indray ?

Sample post image

Mitebiteby andro aman’alina indray ireo mponina any amin’ny distrikan’i Brickaville amin’izao.

06-juin-2024

Raha ny vaovao miely mantsy dia toa niverina indray ilay biby tsy fantatra nihinana biby fiompy sy nandrangotra olona tany an-toerana ka nahatorana ity farany.Ny harivan'ny 04 Jona lasa teo dia omby lahy mbola vatony no maty nohanin’ny biby tsy fantatra tao antampon'i Mahefa Fokontany Maromby,Kaominina ambanivohitr’i Mahatsara, raha ny fitarainana voarain’ny mpitandro ny filaminana.Tsy hita intsony ny lelan’io omby io sy ny fitaovam-pananahiny ary hita miparitaka teo akaiky ny rany. Mitovy tamin'ny tranga izay efa niseho volana vitsivitsy lasa tao anatin'ny faritra Distrikan’i Brickaville ity tranga ity hoy ny mponina ka efa mandeha ny fanentanana rehetra amin’izao mba hanara-maso ny biby fiompiny sy hanome vaovao ara-potoana ny tompon'andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana raha sanatria misy trangan-javatra hafahafa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay omby lahikely mbola vatony !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap