airtel

Actualités

08-août-2024

Bruno Ravelonanosy

«Mahantra eto amin’ny tanin-drazany ny tompon-tany»

Sample post image

Nanomboka ny taona 2003 ny aditany teo Antanandrano, hoy ny solontenan’ireo mpandova,

08-août-2024

Bruno Ravelonanosy, saingy tsara ho fantatra hoe talohan’ny taona 1952 no efa an’ireo tompon-tany io tany io. Tompony tamin’izany izany hoe Razafitsara, Razafimahefa, Rakrisimasy, Razaiarivony, Ramangasoavina, Rajonah, hoy izy. Efa nanana titra avokoa ireo olona rehetra ireo tamin’izany fotoana izany. tompon-tany teo amin’io Antanandrano io. Mirefy 30ha no fitambarany. Ny taona 1954, mbola zanatany frantsay tamin’izany i Madagasikara, dia nisy didim-pitondrana nataon’ireo mpanjanaka ireo tamin’izany dia ny didim-pitondrana laharana 39, ny 1 febroary 1954. Nikasa ny hanao «expropriation» na fanesorana ny tompon-tany izy ireo tamin’izany noho ny antony filàna ara-panjakana. Nisy fotodrafitrasa nokasain-drizareo atao dia ny «radiotélégraphique» teo amin’io toerana io, izany hoe, mitovitovy amin’ny telefaonina ampiasaintsika amin’izao fa mbola ohatran’ny karazana radio izy tamin’izany. Nandeha ilay dingana ny taona 1954. Nametraka mihitsy izy ireo tamin’izay fa ny fotoana ametrahana io tetikasa io dia 1 taona ihany. Misoratra anatin’ilay didim-pitondrana mihitsy izay. 1 febroary 1954 hatramin’ny 1 febroary 1955 no dikan’izany. Teo izany ilay tany dia tokony naverin’ny fanjakana frantsay tamin’ireo malagasy ireo. Tsy naveriny moa ilay izy ary olona matahotra birao koa ireo tompon-tany, matahotra hihaona amina vazaha dia tsy sahy nangataka ny famerenana ilay tany. Rehefa maty ireo olona ireo dia ny taranany amin’izay no nanomboka nangataka ny taona 2003 «rétrocession» na famerenana ny tany teo anatrehan’ny fitsaràna satria misy lalàna ahafahany manao an’izay. Nahazo hitsivolana na «ordonnance» laharana 13-82 ireo mpandova. Nentina saika hanatanterahana ilay famerenana tany izany iny. Tampotampoka teo nefa dia niditra tao anatin’ilay tantara amin’izay ny Telma S.A, izay efa orinasa tsy miankina fa tsy orinasam-panjakana. Tsy misy taratasy manamarina hoe novidiany ny tany na nomen’ny fanjakana azy fa tonga dia niditra izy. Nanomboka teo no lasa nandalo ambaratongam-pitsarana rehetra io aditany io. Nandalo fitsarana ambaratonga voalohany, fampiakarana na «cours d’appel» hatrany amin’ny «cassation» na fampitsaharana didy ary ny 14 desambra 2012, tamin’ny alalan’ny atao hoe PIL na «pourvois de l’intérêt de la loi», ny mpitsara rehetra tao amin’ny fitsarana ambony dia nanatrika io fotoam-pitsaràna io. Namoaka didy na « arrêt 116» izy. Milaza tamin’izay io didy io fa foanana daholo ny didy rehetra mikasika io tany io fa ity «arrêt 116» ity no mitoetra. Voalaza ao hoe averina ny mpifanandrina mialohan’ny 1 febroary 1954. Mbola tsy nisy didy nefa nialohan’io ka mbola mitoetra amin’ireo tompon-tanindrazana izany ny tany. Izay izany no tian’ny tao amin’ny fitsara an-tampony nolazaina. Nisy faingo niniana natsofoka nefa tao, izay lasa midika hoe averina ny mpifanandrina tao anatin’ilay «expropriation». Nahazo «grosse» na fanamarihana tao amin’ny fitsaràna an-tampony moa izahay dia nazava tao amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany tamin’izany fotoana izany hoe miverina aminareo tanteraka izany ilay tany dia niverina nahazo titra tsirairay avy ireo tompon-tany ireo tamin’izany fotoana izany. 2014, nampiditra fitakiana vaovao indray ny Telma S.A hanilihana ireo tompon-tany eo anatrehan’ny fitsaràna nefa orinasa mahaleontena. Tsy tokony ho azo atao izany nefa dia nahagaga fa neken’ny fitsaràna. Hatramin’izao 2024 izao izahay mbola miady satria tsy azo ekena izany hoe mahantra eto amin’ny tanin-drazany izany ny tompon-tany. Mijaly ireo vahoaka ireo niady ho an’ny tanin-drazana tao anatin’izay 21 taona izay, hoy hatrany ity solontenan’izy ireo ity, ary ny tenako moa dia nigadra 2 taona mihitsy na dia tanaty aretina aza. Soa fa misy Andriamanitra, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap