hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ankoatran’ny resaka menaka mavesatra efa mivoaka amin’izao fotoana izao, hoy izy, dia io koa ny resaka angovo azo avy amin’ny herinaratra izay hananantsika be dia be. Afaka manangana orinasa tsara isika raha ny resaka bateria satria ny akora fototra ahafahana manao izany dia hananan’i Madagasikara tsara mihitsy. Aiza marina nefa ny politikan’ny fitondram-panjakana amin’ny resaka angovo? Na ny resaka arina any atsimo aza satria isika mbola manana toeram-pitrandrahana arina na «mines de charbon». Manana politika tena hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka malagasy ve ny fitondram-panjakana? Raha tena nananany tsinona izany dia efa voavaha efa ela io resaka JIRAMA io. Miditra fotoam-piasana faharoa, mba tsy hilazana hoe fahatelo, raha isaina hatramin’ny tetezamita, izao ny fitondrana ankehitriny. Mbola tsy voavaha foana ilay olana. Mbola maheno trosa mihoam-pampana isika. Vahaolana vonjy tavan’andro daholo no nisy tahaka ny hoe novana ny tale jeneraly, nogadraina ny tomponandraikitra tatsy, novaina ny izao, izany hoe tsy tena vahaolana mitondra ny orinasa ho lasa tena orinasa matanjaka no naroso. Resahana foana amin’izao fotoana izao ny hoe fanalalahana ny vidin-tsolika na «libéralisation» nefa iarahantsika mahita fa mbola mampitovy vidy avokoa ireo mpandrinjara solika eto amin’ny firenena. Raha ny angovo no resahina dia mitovy amin’ny rehetra ihany hoe tsy manana politika mazava tsara amin’ny resaka angovo isika ka hita hoe misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny vahoaka satria matoa isika manao politika, matoa ny fanjakana mametraka izay atao hoe politika izay dia tokony ho hita soritra eny amin’ny fiainam-bahoaka hoe io fa tena tsy misy dikany amin’ilay vahoaka ny mividy ilay solitany na ilay lasantsy na ilay solika. Tsy misy afa-tsy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny malagasy no vahaolana faran’izay haingana satria efa diso milalao fahantrana loatra ny fitondram-panjakana! Rehefa manolotra vahaolana dia vahaolan’ny fahantrana toy ny hoe ao omena koveta na omena menaka fa tsy hoe andao isika fa misy famoronana asa matanjaka tsara toy ny hoe tsy maintsy tafiditra miasa ny tanora 4 tapitrisa. Fantantsika izao hoe tsy an’asa ny 70%n’ny tanora latsaky ny 24 taona. Mila manana politika izany ny fitondrana hoe ahoana no hamadihana azy mba ho ny 70%n’ny tanora indray no miasa? Iaraha-mahita izao fa na dia 600 Ariary aza ny saran’ny fitaterana dia mandehana isika eny Itaosy fa olona fotsiny izany mandeha an-tongotra izany! Toy izany koa eny Ambohipo ho any Ambohijatovo satria rehefa mitambatambatra ilay 600 Ariary dia mba mahasoa amin-javatra hafa. Avy eo koa anefa rehefa jerena ilay fiara dia tsy manaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy. Tsy taksibe iray sy roa io fa saika izy rehetra. Mila ampitomboina, noho izany, ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy ahafahany misitraka fiainana tsara kokoa. Anjaran’ny fitondram-panjakana no mitady politika ahatongavana amin’izany. Isan’izany ireo solombavambahoaka vaovao ireo. Tsy ny rano izao no tsy misy fa ny famatsiana azy no tsy maharaka. Misy ozinina henonao hoe mila rano dia alefa any aloha ilay izy fa ny isan-tokantrano no tsy mandray araka ny tokony ho izy. Mila amboarina ny fitsinjarana an’io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA