hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ilay antsoina hoe fanavaozana azy na «remaniement», satria ny praiminisitra tsy niova, izany izao no andrasana, hoy izy. Raha azon’ny fitondrana natao ny tsy nanisy fifidianana dia nataony angamba satria ny eo ihany no eo. Ny azo ilazana azy fotsiny dia ny hoe manimba ilay malagasy izay manantena rivo-baovao hiova hanatsara kokoa ny fari-piainany satria efa fantantsika fa efa ho 6 taona latsaka kely angamba izany izao ny fitondram-panjakana ankehitriny io no teo. Iarahantsika mahalala, niainantsika teto ny fiakaran’ny vidin’entana, ny haratsin’ny lalana. Izany no hitadiavana vahaolana fa matetika rehefa miheritreritra vahaolana dia miheritreritra ilay fanantenana amin’ilay olom-baovao. Ilay olona nefa tsy nisy niova. Ny dikan’izay izany dia tsy misy zavatra antenaina loatra mihitsy. Maro toy ny mahazatra ny asa vonjy tavan’andro. Hitantsika ireny. Tsy mipetraka akory amin’ilay drafitra. Raha raisintsika, ohatra, hoe drafitra fanamaivanana ny fifamoivoizana eto andrenivohitra. Rehefa mipetraka izany drafitra izany, asa na ny fanitarana ny lalana, ny fanovana ireo fitaterana ireo, ny fametrahana ireny toy ny any ivelany ireny hoe «tramway», izany hoe lalamby hafa mihitsy no fipetrany. Ny zava-misy dia natao kitaitaitra daholo. Ireny izao napetraka ny teleferika. Ny vola miasa na «budget de fonctionnement» toa sarotra be ny hahazoana tombona na «rentabilité» amin’ny fampiasana azy? Resahina koa ireny ny lamasinin’ny tanàn-dehibe na «train urbain», izay mbola tsy miainga hatramin’izao fa ho hita eo ny fahavitany. Rehefa jerena nefa dia hita hoe asa vonjy tavan’andro satria tokony ho lalamby miisa 2 no hipetraka amin’ireny zavatra ireny, raha ny fahita any ivelany. Ny eto nefa toa ilay lalamby taloha fotsiny no somary navaozina dia lasa iray aza amin’ny faritra sasany. Tsy tena manana politika mihitsy izany ry zareo hamahana ilay zava-misy fa dia manao ilay asa vonjy tavan’andro fotsiny. Raha miteny ianao hoe fivoarana ireny dia mamoaka tsara ny tarehimariky ny banky iraisampirenena sy tahirim-bola iraisampirenena na FMI fa isan’ny firenena faran’izay mahantra isika. Ny 80%ntsika tsy manana fahafahana amin’ilay 4000 Ariary akory. Izay no vokatra tao anatin’izay efa ho 6 taona izay. Na dia mahita ireny atletantsika any amin’ny lalao olaimpika ireny fotsiny aza dia malahelo hoe mba firenena lehibe ihany ilay Madagasikara satria dia toa atleta avy eto andrenivohitra daholo no hita fa aiza marina ilay Madagasikara manana faritra miisa 23? Tokony ho maro no solontenam-pirenena tonga amin’ireny sehatra ireny satria manana tanora betsaka ny firenena malagasy. Ilay tsy fananana fotodrafitrasa any am-potony izany hamolavolana ny tanora malagasy izany dia miisa 7 fotsiny no mba tanora malagasy tonga any amin’ireny sehatra iraisampirenena ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA