airtel

Actualités

22-oct-2024

Delestazy efa tsy rariny intsony !

Miverina midina an-dalambe ny vahoaka

Sample post image

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

22-oct-2024

Naneho ny hatezerany noho ny delestazy, hany ka raikitra indray ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana. Tahaka izany ihany koa ny teny Antsahamamy, izay samy eny amin’ny Boriborintany faharoa. Ny teny an-toerana ireo, fa ny rehetra no tsy misy tsy mikolay amin’izao vanim-potoana izao. Efa tena lasa rano sy vary amin’ny fiainana ara-tsosialy eto Antananarivo eny fa manerana ny nosy mihitsy aza ny delestazy. Miha zava-doza hatrany, ary tsy fivoarana no misy fa fihemorana. Niainga tamin’ny adin’ny iray, adin’ny roa, adin’ny telo, fa izao efa manodidina ny 15 ora hatramin’ny 20 ora isan’andro. Leo sy tofoka tanteraka ny vahoaka satria potika ny fihariana maro, manjaka ny tsy fandriampahalemana,…. Aiza ve ka tontolo andro zara raha misy herinaratra adin’ny roa na adin’ny telo raha betsaka. Tena mbola tsy nisy teo amin’ny tantara angamba izany hoe : tapaka amin’ny 11 ora atoandro, dia amin’ny 6ora sy sasany hariva vao miverina. Mandeha kely 15 minitra dia tapaka indray ! Raha mahita adin’ny roa na adin’ny telo tsy miato efa tsotsofina ! Tontolo andro sy tontolo alina tsy misy iainana ny delestazy. Efa tsy rariny intsony ! Serasera sy fitanisana olana ary fampanantenana hatrany no betsaka. Nolazaina tapa-bolana lasa fa tsy ampy ny tosiky ny rano ao Andekaleka, raha tokony ho 48m3 isan-tsegaondra sisa dia lasa 23m3, hany ka milina 3 sisa no niodina. Nisy indray ny orana vao andro vitsy izay, saingy ny delestazy vao mainka miha zava-doza ka inona indray ny serasera fanabadoana vahoaka na « argument bidon » hoentin’ny Fanjakana. Mby aiza sy nanao ahoana aza ny tohin’ilay drafi-panarenana ny Jirama natolotry ny Tale Jeneraly Ron Weiss izay nambara fa miompana amin’ny ara-bola, ara-teknika, arak’olona ? Tsy rototra intsony fa mampangina vahoaka amin’ny basy sy manao izay hampalemy azy hifitsaka sisa ny fitondrana mba tsy hisian’ny fipoahana lehibe ?
Miharihary hatrany aloha hatreto, fa mitombina ilay soso-kevitr’i Tahina Razafinjoelina amin’ny firosoana amin’ny angovo mahaleotena amin’ny alalan’ny « panneaux solaires » isan-tokantrano, ka hametrahana ny Sampan-draharaha mikasika ny «électrification urbaine » raha ity farany no lasa ben’ny tanàna. 2500Watts hatramin’ny 3000Watts ny filan’ny tokantrano tsirairay eto, ary tokantrano 2000 no hanombohana an’io. Raha ny antsasaky ny trano eto Antananarivo no hanaovana an’io dia mihena ho azy ny vesatra ho an’ny Jirama.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana

Card image cap
20-nov-2024

Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,

Card image cap
20-nov-2024

Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»

Card image cap
19-nov-2024

Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,

Card image cap
19-nov-2024

Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»

Card image cap
19-nov-2024

Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,

Card image cap