mitaky vahaolana mahomby sy maharitra. Taratr’izany ny hatezerana noho ny delestazy efa ho lava, ny rano tsy ampy mandavan-taona, ary raha ho an’ny eto Antananarivo dia efa lasa olana andavanandro ihany koa ny fako tsy voaraokan’ny kaominina. Isan’ny naneho ny fahatezerany ny mponina teny Ambatolampy Antehiroka omaly noho ny fahatapahan-jiro, ny fako mameno tanàna. Vokany, raikitra ny fitokonanana sy fanehoan-kevitra tamin’ny alalan’ny fandrehetana afo teny an’arabe nentina nanehoana sy nandefasana hafatra fa mila vahaolana. Tonga teny an-toerana mihitsy ny mpitandro ny filaminana teo anatrehan’ny hetsika nataon’ny vahoaka. Tahaka izany ihany koa omaly takariva sy madiva ho alina teny Andranonahoatra Itaosy satria tena efa leo ny olona. Tahaka izany ihany koa ny teny Andranonahoatra Itaosy, izay nihetsika ihany koa ny vahoaka satria efa ho lava ny fahatapahana, ka tsy misy zava-banona, simba ny fihariana, leo fampanantenana poakaty,…. Nilaza moa ny Jirama fa fanamboarana Disjoncteur teo amin'ny sampanan'i Vinany antony nahatapaka herinaratra. Ka vinavinainy haharitra 45 minitra ny asa dia hiverina amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra.Omaly alakamisy anefa dia naharitra 8 ora ny fahatapahana raha natambatra. Efa tena tsy misy lerany intsony fa tapaka ela be, na tapaka isaky ny adin'ny iray.Herinandro teo izay dia tena velon-taraina ny tena Andranonahoatra, An-tampon'Itaosy, Ambohijanamasoandro, Vinany, Ambavahaditokana, Itaosy Hopitaly amin'ny delestazy.Misy faritra sasany naharitra 2 andro ny tsy fisian'ny herinaratra; misy ihany koa ny tapaka isaky ny adin'ny iray na adin'ny roa.Tena sarotra ny mandamina ny fotoana satria tsy misy ora mazava intsony hoe amin'ny firy ny jiro no fapaka dia amin'ny firy no miverina. Nitombo hatrany amin'ny 50% ny masonkarena ho an'ireo olona miasa tena voatery nampiasa gropy. Mby aiza izao ilay hoe: ho foana afaka 3 herinandro ny delestazy, araka ny baiko nomen’ny Filoha ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo tamin’ny 16 jolay lasa teo? Fialana bala mandavan-taona, fanaovana resa-jaza vao mainka mandranitra vahoaka, fitadiavana ala olana hanilihina ny tsy fahaiza-mitantana no miseho. Fihemorana fa tsy fandrosoana no hita, fitanisana vina sy velirano no betsaka fa tsy hita izay tena vokatra misongadina. Fatratra ny fanenjehana sy fanaratsiana ireo mpitondra teo aloha, fa hay ity no vao mainka zava-doza. Ny olana tsy sahy tena mitsotra ny marina, fa mahita zavatra hanilihana foana. Tsy tena sahy milaza mivantana ny olana, tahaka ny tsy fisiana vola hividianana solika, ny tsy fahafahana manao “requisition” solika intsony, ny tsindrin’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola,… Ny vahoaka anefa efa tena mihasosotra ary hendratrendratra satria tena miteraka rarin-tsaina ny krizy sy fahantrana, miampy olana maro tsy voavaha!
MIKORONTANA NY TANANA
Hatramin’ny loton’ny tanàna, dia io iaraha-mahita sy mitazana io. Tsy arakaraka ny maha iray antoko sy loko politika ny ben’ny tanàna sy ny Filoham-pirenena, tsy arakaraka ny vava be sy ny fampanantenana natao tamin’ny propagandy,… fa tena mihemotra, ary lohalaharana amin’ny tanàn-dehibe maloto sy maimbo indrindra Antananarivo Ankehitriny. Ny Filoham-pirenena mihitsy no nanome toromarika an-kolaka ny mpifidy iray andro nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny 2018, nampanantena 11 miliara Ar isan-taona, nampitomboina ny fitadiavam-bola teo anivon’ny kaominina, nisy hatramin’ny findramana 11 miliara Ar tamin’ny CNaPS,… fa izao iaraha-mahita izao ny zava-misy. Mikorontana ambony ambany, rakotry ny loto sy fako, ny mpiasa mitarazoka ny fahazoan-karama, mihisatra ny asa,… Zary hoentina amin’ny vahaolana vonjy tavanandro hany ka ny governemanta no voatery nanapaka fa hanaovana “operation coup de poing” ny fanalana ny fakon’Antananarivo. Ho avy rahateo ny Lalaon’ny Nosy ka tsy maintsy diodiovina indray ny tanàna!
Toky R sy RTT
Tombanana ho betsaka ny rotsak’orana, izany hoe hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm
Olona miisa 5 no fantatra fa efa voasambotra hatreto taorian’ireo karazana firehetana
Manomboka miha mamy ny voankazo eny an-tsena tao anatin’izay herinandro
Faly sahirana ny tantsaha na dia tonga aza ny rotsak’orana ao anatin’izao andro
Na noho ny rivodoza na noho ny rivon-tsoa dia nampiaina ny zavaboahary ny orana nilatsaka aloha,
Manjaka tanteraka amin’izao fotoana izao ny haintany ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Marofoty, Toliara II,