airtel

Actualités

30-juil-2024

DELESTAZY LAVARENY

Sady mankaleo no manimba zavatra

Sample post image

Tena mankaleo ny delestazy hiainan’ny mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano.

30-juil-2024

Ankoatra ireo mponin’i Fenoarivo izay efa minia tsy miteny intsony noho ny hafitsoky ny orinasa JIRAMA dia anisan’ny tena mitondra faisana ihany koa ny mponin’Itaosy. Ora efatra isan’andro no hiainan’izy ireo izany raha kely. Amin’ny 2 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora maraina eo ho eo ny andiany voalohany isan’andro. Isan-kariva manomboka amin’ny 06 ora na amin’ny 07 ora eo ho eo kosa ny andiany faharoa izay maharitra ora iray sy sasany raha kely. Vao omaly Alatsinainy 29 Jolay ohatra dia naharitra ora 4 teo ho eo ny fitambaran’ny delestazy teny an-toerana izay marihina fa ao anatin’ny fotoana fijerena vaovao amin’ny vata fahitalavitra sy fanaovan-draharaha mihitsy. Eo an-danin’izay ambany be ny herin’ny jiro na ambony loatra rehefa miverina tampoka ka tena manimba zavatra. Tsy misy izay tsy nitaraina ireo mponina vokatr’izany ankoatra ny haizim-pito hamakivakiana ny elakelan-trano hamonjena fodiana ho an’ireo mbola namonjy asa aman-draharaha. Mbola ny fahataran’ny solika mavesatra entin’ny fiara eny an-dalana miazo ny renivohitra sy ny manodidina hatrany moa ny fialana bala hataon’ny orinasa JIRAMA. Eo an-danin’izay anefa dia tsy mitsaha-midangana ny faktioran-jiro aloha isam-bolana.
Pati
Legende : Saika ny fiverenan’ny jiro tampoka amin’ny ankapobeny no manimba ireo kojakojan-dakozia tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap