airtel

Actualités

24-mars-2025

DELESTAZY LAVARENY

Tsy nisy jiro teny Fenoarivo omaly tontolo

Sample post image

Miverina mian-dalana indray ny delestazy eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

24-mars-2025

Ho an’ny kaominina Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano manokana dia nanomboka afak’omaly Sabotsy 22 Martsa alina izany hatramin’ny omaly Alahady 24 Martsa tontolo andro. Tsy niverina mihitsy ny jiro na dia efa nisy tamin’ireo mponina aza no niantso ny orinasa JIRAMA. Raha tsiahivina kely anefa dia vokatry ny tsy fahampian’ny rano manosika ireo ivon-toerana mpamokatra eto amintsika no nambaran’ny JIRAMA fa anton’ny delestazy teo aloha. Rehefa tonga indray anefa ny ranon’orana tsy hita akory izay vokany fa mbola manao ny hataony foana ny delestazy. Ny faktioran-jiro anefa eo an-daniny tsy mihena fa vao mainka midangana aza. Tsy nisy nisokatra vokatr’izany ny toeram-pivarotana trondron-dranomasina, mpanao volo, ny cybercafé , ny mpanao kodiarana….teny Fenoarivo teny omaly. Marobe ihany koa ireo tsy afaka nampiasa finday toy ny mahazatra intsony fa tsy nisy vato aratra intsony. Marihina moa fa tratran’ity delestazy ity ihany koa ny teny Itaosy Atsimondrano omaly Alahady, fotoana izay natokan’ny fianakaviana mba hihaona sy hikarakarana sakafo miavaka kely saingy indrisy. Tsy lazaina intsony ireo nikarakara lanonana izay diso fanantenana tanteraka.
Pati
Legende : Nampiasa labozia ny teny Fenoarivo tamin’ny Sabotsy alina !
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap