airtel

Actualités

05-juil-2024

Delestazy mamono ny toekarena

Boriboriana amin’ny serasera poakaty…

Sample post image

Miakatra ny daozin’ny fahatapahan-jiro manerana ny Nosy.

05-juil-2024

Somary namboamboarina kely ny serasera ka raha fahatarana solika no nolazaina teo aloha fa antony, dia somary nohavaozina sy nampiana kely ny serasera fa fahataran’ny sambo mitondra ny solika mavesatra. « Araky ny efa nambara teto amin'ny pejy dia misy fahatarana ny fahatongavan'ny sambo mitondra solika mavesatra hampihodinana ireo milina mpamokatra herinaratra saika manerana an'i Madagasikara. », hoy indray ny fanamafisan-tseraseran’ny Jirama omaly. Nohamafisina, fa tsy maintsy mitsitsy ny solika eo am-pelatanana arak'izany ny Orinasa JIRAMA mba tsy hahatongavana amin'ny fahatapahan-jiro faobe. Noho izany, voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby isika ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo, izay haharitra ora roa, anio alakamisy 04 jolay 2024, eo anelanelan'ny amin'ny 12 ora atoandro sy amin'ny 5 Ora hariva sy eo anelanelan'ny amin'ny 10 ora alina sy amin'ny 4 ora maraina, hoy hatrany io orinasa io. Raha adin’ny iray sy sasany ny voalaza ho an’ny andro teo alohany, dia niakatra ho adin’ny roa izany, ary na ny fahatapahana aza toa betsaka no tsy dia mifanaraka loatra amin’ny fampilazana satria na misy aza ireo toerana sy tanàna faritana hahapahan’ny herinaratra ary misy ora mazava, dia mihoatra lavitra an’ireo ny tanàna voakasika. Hatreto, tsy mbola voafaritra mazava hoe : rahoviana marina ary izany ilay sambo no ho tonga ary rahoviana no hitsahatra ity fahatapahana goavana manerana ny Nosy ity ? Toa mampanahy ihany hoe : serasera natao hanadalana saim-bahoaka ity resaka fahatarana sambo sy solika ity, fa ahiana ho noho ny trosa misavovona amina miliara tsy voaloan’ny Fanjakana amin’ireo kaompanian-tsolika. Efa tsy dia afaka manao ilay « réquisition » ahafahana tonga dia maka solika amin’ny kaompania rahateo ny Fanjakana noho ny fepetra apetraky ny mpamatsy vola. Efa voasosaky ho firenena faha-9 isan’ny fadiranovana ara-angovo i Madagasikara izay ny 36% no hany misitraka kanefa dia mbola tsizarizary ny tolotra sy kalitao. Ny serasera atao dia ny hoe : Vinavinan'ny gouvernemantan'i Madagasikara ny ampitombo ho avo roa heny ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, ka ho tonga 70% izany hatramin'ny taona 2028 raha 36% izy ankehitriny, kanefa ny kely efa misy aza io tsy tena misy vahaolana mahomby hatramin’izao. Tena hahatafavoaka baolina ve ny vazaha nafarana hitantana ny Jirama ? Tena mahomby ve ny politikam-panjakana momba ny angovo ? Betsaka ny seha-pihariana potika toy ny indostria, ny tontolon’ny informatika sy teknolojia,… eny rehefa seha-pihariana mila herinaratra. Ireo mba manana fahafahana mampiasa milina manokana ho tratry ny fiakaran’ny vidin-tsolika ihany koa !
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-oct-2024

Tahaka ireo toerana sy fokontany maro teto Antananarivo sy ny Renivohitra,

Card image cap
04-oct-2024

Tsy mitondra fampandrosoana ny tanindrazana iombonana ny fifandirana sy ny disadisa ateraky

Card image cap
04-oct-2024

Sady manimba no tsy afaka hanamboarana ny simba koa, etsy ankilan’izay,

Card image cap
04-oct-2024

Ny JIRAMA sy ny fifandraisan-davitra efa manao ny ataony amin’izao fotoana izao

Card image cap
04-oct-2024

Mahatratra 500 isa isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay tonga eto amintsika

Card image cap
04-oct-2024

Mihanatanora hatrany ireo vehivavy tratry ny homamiadan’ny nono eto amintsika,

Card image cap