airtel

Actualités

04-oct-2024

Delestazy tsy ahitam-bahaolana

Sady manimba no tsy afaka hanamboarana ny simba

Sample post image

Sady manimba no tsy afaka hanamboarana ny simba koa, etsy ankilan’izay,

04-oct-2024

amin’izao fotoana izao, ity delestazy tsy ahitam-bahaolana ity. Ireo entana miankina amin’ny herinaratra moa, raha ny fanazavana voaray sy fanadihadiana natao, no tena lasibatr’izany. Isany ny fahitalavitra, indrindra, ireo fahitalavitra tsy fisaka. Isany koa ireo vata fampangatsiahana isan-karazany, ny famenoan-drivotra na «ventilateur», ny solosaina sy rehefa mety ho entana ilàna herinaratra. Ianao mila ilay herinaratra hanandramana ny entana narenina kanefa ny herinaratra avy eo tsy misy fa delestazy indray, hoy ny fitarainan’ny raim-pianakaviana iray. Sambasamba no nisy an’izany hoe mandeha Cyber na ireny toerana fikirakirana solosaina sy aterineto ireny ianao dia tsy izany no antony hankanesanao ao fa hindrana herinaratra, hoy koa ny fanehoan-kevitra hafa. Tsy vao izao no ritra toy izao io Andekaleka io fa efa an-taona mifanesy ary mampirongatra hatrany ny tsy fahampian-drano sy herinaratra toy izao foana dia mbola tsy nahitam-bahaolana foana ve hatramin’izao? Inona ihany izany no fivoaran’ny fikaroham-bahaolana momba ity olan’ny JIRAMA ity teto Madagasikara? Hoavy hifandimby indray koa ny fahavaratra na ririnina na lohataona dia mbola hisy toy ny hatramin’izay koa ve izany ny olana hifandimby eo toy ny efa hita ankehitriny?
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

04-oct-2024

Tahaka ireo toerana sy fokontany maro teto Antananarivo sy ny Renivohitra,

Card image cap
04-oct-2024

Tsy mitondra fampandrosoana ny tanindrazana iombonana ny fifandirana sy ny disadisa ateraky

Card image cap
04-oct-2024

Ny JIRAMA sy ny fifandraisan-davitra efa manao ny ataony amin’izao fotoana izao

Card image cap
04-oct-2024

Mahatratra 500 isa isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay tonga eto amintsika

Card image cap
04-oct-2024

Mihanatanora hatrany ireo vehivavy tratry ny homamiadan’ny nono eto amintsika,

Card image cap
04-oct-2024

Ny fisainana sosialista dia tsaky popy, vatsy tsinjo, kaly tsinjo sy ny toy izany,

Card image cap