vokatra ho an’Antananarivo. Noho izany, voatery mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny Orinasa JIRAMA, ka omaly nanomboka amin'ny 4 Ora sy sasany ka hatramin'ny 6 Ora hariva dia efa nihamafy indray izany, izay nambaran’ny Jirama fa haharitra ora iray sy sasany isaky ny fanapahana izany, mba hampifanaraka ny famokarana misy. Nomarihina moa, fa ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny rano ao Andekaleka no tena fototry ny famokarana herinaratra eto Antananarivo. Io famokarana io dia miankina amin'ny haavon'ny rano. Amin’izao vanim-potoanan’ny main-tany izao dia mihena io, ka atontona any hatrany ny olan’ny delestazy. Mifandray tsy tapaka amin'ny sampan-draharaha famantarana ny toetr'andro ny JIRAMA mahakasika ny fahafahana mandatsaka orana artifisialy indray mba hampiakarana ny hahavon'ny tohodrano, raha ny seraseran’io orinasam-panjakana io.
AIZA HO AIZA ILAY DRAFI-PANARENANA
Raha vao avy nankalaza ny faha-32 taona tsy nisian’ny delestazy ny Firenena Alema ny 06 aogositra teo dia mbola tsy hita manangasanga ny hirika ho antsika hoe : rahoviana ihany no ho resy ny delestazy? Miteraka olana sy fatiantoka goavana ara-toakarena, ary mampalaina ny mpampiasa vola anefa io, kanefa isika amin’ireny « business forum » atrehin’ny Fanjakana ireny, dia tsy sasatry ny manasa ireo vahiny ho avy handraharaha eto. Mbola lavitry ny kitay ny afo, ary tsy mazava hatreto ny tohin’ny drafi-panarenana voalaza fa natolotry ny Tale Jeneraly Ron Weiss tamin’ny Fanjakana Foibe, izay nitsinjara ho drafitra ara-bola, arak’olona, ara-teknika, raha ny serasera ankampobeny efa nandeha. Nanaiky sy nankato ve ny Fanjakana, indrindra fa ny drafitra ara-bola ? Ohatrinona marina ny sora-bola hatontona hanarenana ny Jirama ankoatra ny sora-bola na « subvention » manodidina ny 1000 miliara Ar isan-taona ? Drafi-panarenana ao anatin’ny firy taona ary inona no antoka hivahan’ny olana ? Ny seraseram-panjakana mihoby sy midera ny orinasa sinoa izay andrandrainy hamaha ny olan’ny tambajotra iraisan’Antananarivo dia karazan’ny miampanga ny fitondrana fa poakaty ny ambara fa ezaka hitondra fanavaozana amin’ny tontolon’ny herinaratra eto toy ilay 400MW ao anatin’ny 5taona nodradradradraina tamin’ny 2018.
MBOLA TSY HITA MANAGASANGA NY VAHAOLANA
Hatreto, mbola miezaka mitady hirika amin’ireo heverina ho mpiara-miombon’antoka, toy io fiantsoana ny sinoa hanao ilay tetikasa hoe : « Medium ring Tana » hanavaozana ny tambajotra RIA io, misy famatsiam-bola 177 tapitrisa dolara io. Na izany aza, vao fifanarahana no vita, izany hoe : tsy mbola ho ato ho ato ny hanombohany, raha tarafina amin’ireo serasera maro toy ny tetikasa Sahofika izay ny Frantsay aza nisintaka tao anatiny ka tsy nety nanomboka hatramin’izao, ny tetika Volobe izay ny serasera no tena betsaka,… Raha ny zava-mitranga, mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny famahana ny delestazy, ary tsy mijanona eto ihany fa miitatra amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izay mifangaro amin’ny krizy ara-bola tsy hahafahana mividy sy mamatsy solika ara-potoana,… Mety mandany 5 ka hatramin’ny 15 taona ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe toa an’i Volobe sy Sahofika ka any ho any ve izany vao ho tsapa sy hita fiantraikany amin’ny fivahan’ny olana ara-angovo raha tsy misy sakantsakana sy mandeha ara-potoana ny tetikasa. Raha ny vola natontona nanampiana ny Jirama tao anatin’ny 5 na 10 taona lasa ve tsy efa nahavitana toby fihariana herinaratra lehibe iray na roa ?
Toky R
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana
Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,
Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»
Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,
Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»
Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,