ny tontolo ambanivohitra, hoy ny depiote sady manam-pahaizana momba ny fambolena, Antoine Rajerison. Tsy hitany, hoy izy, ny lalan-kombàna hametrahana ilay tena hoe fahaleovantena ara-tsakafo. Nihevitra izy tany am-piandohana hanitatra ny velaran-tany ho volena vary ka hanenjika 100.000 Hektara ho volena. Ankehitriny izy dia lasa niheritreritra indray fa tsy hanitatra ny velaran-tany ho volena vary fa ilay 1Hektara no ho totofana zezi-bazaha mba hahazoana taham-pamokarana ambonimbony kokoa. Tsy mety io satria lasa manimba tany. Tsy mety koa satria ny fitondràna masomboly tsy azo akàna taranaka eto Madagasikara dia hanimba ireo karazam-bary efa misy eto Madagasikara. Ny varintsika malagasy dia ifampitadiavana eo amin’ny tsena iraisampirenena ary tian’ny olona satria matsiro no tsara. Isika izany hampiditra vary ratsy tsiro no tsy mitombo eto indray nefa sady hanimba ireo karazam-bary efa misy eto amintsika. Tsy ho zakan’ny tantsaha mihitsy ny fandaniana ho entin’ny fambolena izany vary safiotra izany satria mila zezi-bazaha be io. Ny 1 kilao amin’io masomboly io dia 25.000 Ariary. Raha manodidina ny 3000 Ariary kosa ny kilaon’ny masombolin’ireo vary eto amintsika. Mihinana any amin’ny 300 hatrany amin’ny 800 taoninana zezika ny fambolena an’io vary io, raha ny tarehimarika aparitaky ry zareo. Tena tsy mety sy tsy ahazoana vokatra io satria ny filàny zezi-bazaha betsaka dia midika koa fa mila rano betsaka izy. Raha vao tsy misy rano dia tsy voavadika ho sakafon’ilay vary ilay zezika. Raha miantona ny rano dia may sy maty daholo ilay vary rehetra. Mbola tsy mahafehy fampidiran-drano eny an-tanimbary na «système d’irrigation» isika eto Madagasikara. Rehefa tsy latsaka ny orana dia tsy afaka mamboly vary ny olona. Tokony ho afaka hamboly vary foana nefa ny olona raha ohatra ka voafehin’ny fitondràna ny fanondrahana tanimbary. Ny voka-dratsin’ny fanomezan-danja an’io vary vahiny io dia hihena izany ny voka-bary rehefa kelikely eo fa tsy hiakatra. Tsy ho voafehy mihitsy tsinona io. Mety hanimba sy hamotika ireo karazam-bary malagasy ny fisian’io karazam-bary io. Tsy hihety sy tsy zaka eto amintsika mihitsy io fa ho lasa fandaniam-bola fotsiny, fahaverezam-bola, fanodinam-bola ao anatina aferafera fotsiny satria fantantsika daholo hoe iza no manao ny fanafarana vary amin’io masomboly io? Iza no manao ny fanafarana zezika amin’io karazana vary io? Ny FOFIFA izay manana karazam-bary be dia be no tokony vatsiana vola! Misy 3600 isa ny karazam-bary any ary efa ambolen’ny olona. Misy tena mety eto amintsika sy tena tadiavin’ny tantsaha satria ahitàna 5 ka hatramin’ny 6 taonina isaky ny Hektara any. Ireny no tokony aparitaka satria sady mahazaka ny toe-tany eto amintsika. Mila ihazakazahana koa ny fampitomboana ny velaran-tany ho volena vary sy ny fanaovana tohadrano maro samihafa mba ho voafehy ny fampidiran-drano eny amin’ny tontolo ambanivohitra, indrindra, ny fananganana DAM amin’ny toerana maro samihafa. Tokony hanana tetibola manokana ny fanjakàna hananganana ireny digy sy ny sisa tapaka sy vaky ireny, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i