airtel

Actualités

22-août-2024

Depiote Ramilison Nomenjanahary

«Be loatra ny tsy an’asa, tsy azo jerem-potsiny »

Sample post image

Sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy. Marobe ireo tsy an’asa indrindra fa ny vehivavy ka anisan’ireny ny ao amin’ny distrikan’i Faratsiho

22-août-2024

Na mpanao lalana aza izahay hoy ny Depiote Ramilison Nomenjanahary voafidy tany an-toerana dia tsy afaka ny hijery fotsiny noho ny hamaroan’ny fitarainana voaray. Tao anatin’ny 2 volana latsaka nahalany azy dia tsy mitsahatra ny mitety ireo Kaominina ao amin’ny distrika iadidiany izy ka anisan’ny vahaolana hitany ny fanomezana fiofanana ny vehivavy. Miisa 450 vavy avy amin’ny kaominina miisa 9 noho izany no efa nomeny fiofanana momba ny zaitra ka aorian’ny fiofanana dia kasain’ity Depiote ity sy ny vadiny omena milina fanjairana ireo vehivavy ireo arahin’ny fitadiavana toerana hahafahany mivarotra. Tanjona araka izany ny tsy hiankinan’ireo vehivavy mananontena amin’olon-kafa intsony amin’ny famelomany ny ankohonany raha ho fanatsarana ny fidiram-bola ao an-tokantrano kosa no tanjona ho an’ireo vehivavy manam-bady. Nohatevenina ihany koa moa ny traikefan’ireo vehivavy ireo momba ny fambolena sy ny fiompiana mba ho tombontsoany hatrany.
Pati
Legende : Tompon-kevitra tamin’ny fanofanana ny Solombavambahoaka Nomenjanahary Ramilison !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap