Pyxis arachnoides » sy « Astrochelys radiata » tao amin’ny Valanjavaboahary Tsimbazaza (PBZT) andro vitsy lasa izay. Tsy misy fanazavana mazava mikasika ny fomba nahaverezany, eny fa na ny isany aza, fa am-polony, raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy. Asa misy afenimpenina ve ? Ny talata alina sy alarobia hifoha alakamisy no re fa nahaverezany. Andaniny, nidina ifotony teny an-toerana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr Chaminah Loulla sy ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Andriamaniraka Jaona Harilala, raha ny serasera omaly. Nambara fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, nisy ny fangalana alika mpitsongo dia ary efa misy ireo olona ahiahiana ka efa misokatra ny fanadihadihana araka ny voalazan’ny « Maître-chien » avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Adjudant-Chef Ranaivoson Herinjaka, hoy hatrany ny tati-baovao. Niantso ireo tsara sitrapo izay manam-baovao momba ity raharaha ity moa ny zandarimariam-pirenena. Asa na hivoaka indray ny marina momba itony na hanjavona toy ireo izay efa hita hatramin’izay ? Raha ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza manokana, efa hatry ny ela nisian’ny tsy fanjariana samihafa, ny fikarakarana tsizarizary, ny gaboraraka,… Betsaka ireo biby sy zava-manan’aina maty sy mitsipozipozy, ary izao misy mangalatra izao ihany koa. Ny taona 2021 no efa adihevitra be ihany koa ilay resaka fanomezana azy hotantanan’ny orinasa vahiny, saingy nangingina. Iniana potehina mihitsy ny valanjavoaharin’i Tsimbazaza mba hilazana avy eo fa tsy voatatantsika intsony toy ny Jirama sy ny Air Madagascar ? Rahoviana isika vao hahatsapa fa zava-tsarobidy ho an’ny Firenena ireo harena manan’aina tehirizina ao Tsimbazaza ? Ireo sokatra 1000 mahery sy gidro 48 tratra tany Thaïlande enim-bolana lasa nampanantenaina ho tafaverina afaka fotoana fohy mandrak’ity ny androany tsy hita izay tohiny, ny eto mbola manjavona,… Taratry ny gaboraraka sy ny afera maloto ary ny fanjakazakan’ny mafia eto amintsika. Aiza ve ka ny vakoka satroka volamena tao ao Anatirova nanjavona tamin’ny tetezamita dia vitavita ho azy, ny boaderozy tapitra ripaka, ny biby sarobidy ripaky ny trafika, hatramin’ny volamena any anaty vata nanjavona nivadika korotamby,… Mampivarahontsana ny antontan’isa avoakan’ny iraisam-pirenena raha tsy hilaza afatsy volamena fotsiny izay am-polo taoniny isan-taona ny trafika eto. Mety ampahany ireny fa ny tanin’ny Malagasy, ny harenany,… dia efa tena tangirihan’ny vahiny izay misy ny mety homena vahana mialokaloka ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-pampandrosoana. Mety ho i Madagasikara manontolo mihitsy no ho lafo ambongadiny atsy ho atsy raha tsy mitandrina!
Toky R
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana
Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,
Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»
Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,
Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»
Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,