ravinahitra na diasporas Afrikanina. Nisy fihenana kely (84 miliara dolara) ny taona 2020 izay nisian’ny krizy bara-pahasalamana maneran-tany, ary tafakatra 97 miliara teo taty amin’ny taona 2022. Tafahoatra amin’ny APD (Aide Publique au Developpement) sy ny IDE (Investissements Directes Etrangers) izany indrindra any amin’ireo Firenena Afrikanina azo lazaina ho efa mandroso. Teo amin’ny 35 miliara dolara teo ny APD ho an’ny fiaraha-miasa avy amin’ny samy firenena ho an’i Afrika ny taona 2021, izay ampahatelon’ny vola avy amin’ireo diaspora miasa any ivelany ho an’ny fianankaviany, raha ny tatitry ny OCDE (Organisation de coopération et de développement économiques). Mitana anjara toerana lehibe ho an’ny harin-karena faobe na PIB ho an’ny Firenena maro aty Afrika io satria 28,9% amin’ny PIB ny vola ampidirin’ny diaspora ho an’i Gambie, 23% ny an’i Lesotho, 21,1% ho an’ny atsy Comores, 14,1% ny any Cap-Vert,… I Egypte sy Nigeria kosa no isan’ny tena ambony be ny vola ampidirin’ny Diapora ka iry voalohany dia nampiditra 28,3 miliara dolara na 29% amin’ny totaliny aty Afrika ho an’ny taona 2022. Teo amin’ny 20,1 miliara dolara kosa ny an’i Nigeria izay manome ny 21% amin’ny aty Afrika. Arahin’i Maroc 11 miliara dolara, Ghana 4,6 miliara dolara, Kenya 4 miliara dolara. Mbola tena maivana be kosa io ho an’ny Diaspora Malagasy izay teo amin’ny 417,7 tapitrisa dolara eo ho an’ny taona 2023, izay manome 2,6% amin’ny PIB. Tena volabe izany raha sandaina amin’ny lanjam-bola Malagasy izay eo amin’ny 2000 miliara ariary. Eo amin’ny 200 000 eo ny Diaspora Malagasy mielim-pantrana manerana ny Nosy, ka raha mampiditra 1000 dolara isan’olona eo dia efa 2 miliara dolara, izay efa mifanahantsahana na mihoatra lavitra amin’ny tetibolam-panjakana. Ny diaspora Kaomorianina izay vitsy noho ny antsika anefa mahavita an’io 2 miliara dolara io isan-taona. Raha tena hay izany ny manome lanja sy mampandray anjara ireo diaspora ho hery ara-toekerana, hanana andraikitra amin’ny olom-pirenena, homena sehatra ifandraisana sy ivelarana bebe kokoa ho an’ny firenena,… dia heverina fa tena hisy akony ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’i Madagasikara. Na ritsoka sy laza na « influence » ananan’ny diapora ihany koa no isan’ny làlana nahatonga ny mpamatsy na mpampiasa vola ho avy ao amin’ny firenena iray. Fa mila mahomby ihany koa ny Fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly, antoka ara-pandraharahana sy ara-pampiasam-bola, fandriampahalemana, fotodrafitrasa, angovo,… ao amin’ilay Firenena.
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA