airtel

Actualités

27-mai-2024

Distrikan’i Fianarantsoa I

Laharampahamehana ho an’i Patrick R. ny famoron’asa

Sample post image

Nafana ny fampielezan-kevitry ny kandida laharana voalohany na N°1 ao Fianarantsoa Patrick Randriarimanana,

27-mai-2024

izay notronin’ny vahoaka maro resy lahatra amin’ny foto-kevitra ijoroany tena hiady ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka maro an’isa. Kandita atolotry ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) ny tenany, ka tonga nanotrona sy nanamafy ny fanohanana azy ny Filoha Nasionalin’ny FTT Atoa Tahina Razafinjoelina omaly. Miatso ny vahoaka rehetra eto amin'ny distrikan'i Fianarantsoa ho sahy hijoro ka hahay hisafidy izay hisolo vava azy eny amin'ny Antenimierampirenena mandritra ny 5taona izy ireo, ka nivoitra fa tsy ekena ny fanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka madinika eto Fianarantsoa. Mila mijery lavitra isika ary tsy ho tokony hatakalo vola na zavatra tsy hahavita taona ny safidy amin'ny 29 Mai, hoy ny fanentanana. Laram-pahamehana hoan'ny kandidà Patrick Randriarimanana rehefa lany depiote ao Fianarantsoa izy dia ny: fananganana orinasa madinika eny ifotony hoan'ny fianakaviana tsirairay ka amin'ny alalan'ny volan’ny CIAD (Crédit d'lnvestissement destiné à l'appui au Développement) no isan’ny hanaovana izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap