airtel

Actualités

25-juin-2024

DISTRIKAN’I VANGAINDRANO

Tsy hankalaza ny fetim-pirenena 26 Jona ny mponina

Sample post image

Tsy hisy hankalaza ny Fetim-pirenena 26 Jona izay homarihina manomboka anio Talata

25-juin-2024

ireo mponina manerana ny kaominina 31 isa mandrafitra ny distrikan’i Vangaindrano. Maro loatra ny antsonjay mihatra amin’izy ireo raha hany ka tsy mahatsapa ny tenany ho Malagasy intsony ny any an-toerana. Anisan’ny mampalahelo mafy ireo mponina ao Vangaindrano ohatra ny raharaha fanenjehana an’i Mahavitara Sylvestre, ny raharaha Masy Goulamaly ary ny raharaha Christine Razanamahasoa. Nanamafy ny filohan’ny BAAM, Rasambozafy Cyrille, izay hivondronan’ny Foko Betsileo, Antesaka, Antemoro, Antandroy, Antefasy ary Makoa fa sambany teto amin’ny tany sy ny firenena no nahitana tranga tahaka izany, ary ho sarotra ny toe-draharaha raha tsy misy fandraisana andraikitra. Homarihin’ireo Foko Antesaka amin’ny famonoana omby sy fanaovana fomba izany anio Talata ka hiombon-kevitra sy hifanome toky izy ireo fa tsy hisy handray anjara amin’ny fankalazana ny Fetin’ny 26 Jona.
Pati
Legende : Rasambozafy Cyrille, filohan’ny BAAM!
 

Dans la même rubrique

26-sept-2024

Raha misy olana ara-tsosialy tena mampikolay vahoaka amin’izao fotoana izao,

Card image cap
26-sept-2024

Ankatoky ny fifidianana indray, dia mandeha ny fihetsiketsehana maro samihafa ataon’ny mpitondra,

Card image cap
25-sept-2024

Nanamafy ny tanjona lehibe ho an'i Madagasikara amin’ny hanatrarana mpizahatany iray tapitrisa

Card image cap
25-sept-2024

Anisan’ny asa tranainy indrindra ny asa fivarotan-tena manerantany.

Card image cap
25-sept-2024

Zaza vao 9 volana monja no fantatra fa nisy nandatsaka tao anaty lava-drano ary namoy

Card image cap