airtel

Actualités

16-oct-2024

Dr Geneviève Ramakavelo

«Aoka izay ny fanabadoana vahoaka!»

Sample post image

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

16-oct-2024

sady mpampianatra mpikaroka, Dr Geneviève Ramakavelo. Jereo sao dia mbola kolikoly no ataony, hoy izy, rehefa manao propagandy. Jereo izay tsy manao kolikoly. Hifidy no ataonao nefa tsy ataony akory izay lazainy. Tsy nobeazina hiheritreritra momba ny zava-misy isika malagasy fa nobeazina nomena. Izay no tamin’ny fanjanahantany dia mbola mitohy hatramin’izao. Manipitsipy foana ny olona. Omeko an’ity ianareo dia ataovy izao! Omena foana fa tsy nobeazina hanome. Tokony hiova amin’izay izany izao. Mila manome ho an’ny firenenao ianao! Raha hifidy eto Antananarivo ianao dia manome ho an’Antananarivo. Amin’ny fomba samihafa no hanomezanao. Izay fanabeazana tsy nampianatra ny malagasy hanome sy hijery ny hafa izay no mahatonga antsika ohatran’izao. Izao isika samy sahirana daholo amin’ny jiro sy ny rano. Atao fotsiny izay hijanonana eo amin’ny toerana sy manafosafo ny zava-drehetra mba hipetrahana eo. Ny kolikoly dia mbola fitaizana hoe ahoana no hahatafavoaka ahy fa tsy mijery ny hafa? Raha mba samy te ho tafavoaka dia aoka izay ny fanabadoana ny sasany! Ilay heritreretina hoe tolorana dia iny fa manaraka an’izay tianao rehetra, aoka izay! Mila mifoha mijery ny zava-misy sy mba miheritreritra ny malagasy. Mahay miheritreritra daholo isika rehetra fa aoka izay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap
16-oct-2024

Notokanana omaly ny fonjaben’Avaradrano mivelatra amin’ny velarana 13 000m2 izay mahazaka olona eo amin’ny

Card image cap