hoy ny mpanabe sady mpampianatra mpikaroka, Dr Geneviève Ramakavelo. Na fahalalana mombana olona io, hoy izy, na zavatra na toe-piainana na toekarena. Tsy mila mianatra intsony ve izany? Raisinao ilay fahalalana dia mahazo anatra ianao. Anatra mety aminao sa tsia? Izay ilay hoe mampianatra ary izay no alaina any am-pianarana. Misy soatoavina apetraka any am-pianarana ary indrindra misy fanazavàna. Anaty tambazotran-tserasera tsinona, indraindray, tsy azonao tsara hoe inona no tian’ilay olona ho hazavaina? Rehefa any am-pianarana ianao dia manazava ny mpampianatra. Fandratoana fahalalana daholo na ny any amin’ny tambazotran-tserasera na ny any am-pianarana fa ianao no misafidy izay fahalalana tianao ho rantovina. Raha ohatra ianao hanao fanadinam-panjakàna dia fahalalana mifanandrify amin’izay no rantovinao. Azo rantovina anaty tambazotran-tserasera izany fa vitanao tsy mila fanampim-panazavàna ve fa ho raisinao tsianjery fotsiny izay rehetra hitanao? Tsy hitanao izay hampiharana azy ary tsy fantatrao ny ilàna azy. Fotoana izao tokony hahaizantsika mifehy tena! Raha efa zatovo ianao, indrindra, manomboka eny amin’ny lisea izao efa manana finday. Fantaro hoe inona no ilainao amin’ny fiainana? Te ho afa-panadinana ianao dia mahay mifehy tena. Tsy te ho afaka fa tianao ny rendrarendra dia aza mifehy tena! Safidy daholo io. Misy zavatra ajanona rehefa hisafidy. Raha misy zavatra 2 isafidianana ka nofidianao ny voalohany dia hajanonao izany ny faharoa, hoy hatrany ity mpanabe ity.
J. Mirija
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i