fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny mpanabe sy mpampianatra mpikaroka misotro ronono, Dr Geneviève Ramakavelo. Be dia be, hoy izy, izao ny hoe tsatoka antsy ery sy ny toy izany. Mipetraka koa anatin’izay ny fanabeazana anaty tokantrano sy any am-pianarana. Mora kokoa ny fifohana rongony amin’izao fotoana izao. Matetika ireny olona manatsatoka antsy sy ny namany ireny tsy tompon’ny tenany. Misy andrakandrana tsy dia mitondra lavitra. Ohatra ny fanandramana mifoka sigara sy fisotroan-toaka. Samy ratsy ireny fa ny tena loza amin’ilay manandrana mifoka rongony dia ny lasa filàna izany foana. Tsy maintsy mitady izany foana dia voatery mitady vola ahafahana manjifa izany ahazoana ilay fahafinaretana amin’izy ireny. Rehefa mahazo an’izay ilay tanora dia tsy tompon’ny tenany ka rehefa misy mahazo azy tonga dia mivazavaza na ireny manatsatoka antsy ireny ary ny tena ratsy dia ilay hoe mamono tena. Tokony hiheritreritra isika mpanabe hoe ahoana no tsy hiparitahan’ireny zavatra ireny? Tokony hazavaina amin’ny ankizy sy tanora koa hoe mitondra azy ireo aiza ireny? Hazavaina any am-pianarana mihitsy fa tsy vitan’ny hoe tsy azo atao ny mifoka rongony. Mampihoron-koditra ilay tsy fandriampahalemana satria ohatran’ny moramora ankehitriny ny manala ain’olona. Marina fa hoe tsy mahazo mikapoka sy toy izany any am-pianarana, ny ao an-trano koa, fa tsy maintsy fantatr’ilay ankizy anefa rehefa misy tsy mety ataony hoe tsy maintsy hisy tambiny iny. Tsy voatery ho kapoka izany fa raha misy hitan’ny ray aman-dreny hoe tsy mety dia hazavaina amin’ireo ankizy ny antony tsy mampety izany ka raha mbola mamerina izy dia anjaran’ilay ray aman-dreny no mitady zavatra hafa ilazàna aminy hoe tsy mety iny ka izao no setriny. Tsy miana-desona, ohatra, ilay ankizy fa toy ny tompoiny mihitsy ny finday ary tsy hanaovana na inona na inona ao an-tranony koa dia esorina aminy izany aloha iny. Tenenina izy hoe rehefa fotoana toy izao ianao no mahazo mijery an’iny fa ataovy aloha ny tokony atao fa tsy hoe ianao hikapoka nefa ilay zavatra mahatonga azy tsy mianatra tsy esorinao eny an-tanany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano
Nivory teto Antananarivo omaly 13 martsa ny IPAM na Ivom-Panajariana an’Antananarivo sy ny Manodidina,
Efa tena mihatra amin’ny ain’ny mpiasa taorian’ny COVID 19 ny fijaliana,
Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpamokatra sy mpivarotra
Hiditra an-tanety anio Zona 14 Martsa alina na rahampitso Sabotsy 15 Martsa
Nihena ho 65 isa raha voalaza ho 300 isa teo aloha ny trano tsy maintsy harodana