Anaty fotoana maha vitsy ny mpizahantany eto amintsika na «période de bas saison» isika izao, hoy ny tekinisianina sady mpisehatra ao anatin’izany, Durlin Retogniane. Fotoana kosa nefa, hoy izy, izao tokony hahafahan’ny minisiteran’ny fizahantany sy ny mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany hiomana amin’ny fotoam-pizahantany manaraka na «période de haute saison», izany hoe «saison touristique» amin’ity taona 2025 ity. Isan’ny naha ratsy endrika ny fizahantany teto Madagasikara ny fahamaizan’ireo faritra arovana teto amin’ny firenena tamin’ny taona lasa ireny. Eo koa ny olana mahazo ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka eto amintsika, izay isan’ny kitro ifaharan’ny fizahantany amina firenena iray. Raha ampitahaina amin’ireo firenena maneran-tany dia isan’ny tena ilaintsika izany fitaterana an-dranomasina sy ana habakabaka izany satria i Madagasikara dia isan’ny nosy. Tsy maintsy mandeha fiaramanidina na sambo ny olona te hankaty Madagasikara. Indrisy anefa fa misedra olana izany kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Madagascar Airlines izany. Isan’ny mampihemotra mpizahantany koa ny tsy fandriampahalemana amina firenena iray. Tamin’ny taon-dasa na ankehitriny aza dia tena misongadina izany tsy fandriampahalemana izany teto amintsika, na ambanivohitra io na andrenivohitra. Ny ambanivohitra moa no tena andehanan’ireo mpizahantany fa ny an-drenivohitra fandalovana fotsiny. Any no misy ireny faritra arovana sy biby ary zava-maniry isan-karazany mampiavaka an’i Madagasikara ireny. Asa no miandry ny minisiteran’ny fizahantany izay tsy afa-miasa irery fa tokony hisy ny fifanomezan-tanana iarahany amin’ireo minisitera miara-misalahy aminy. Anjara asan’ny minisiteran’ny tontolo iainana, ohatra, ny miaro ireo faritra arovana amin’ny alalan’ireo ONG sy rafitra samihafa na ifotony io na nasionaly hatramin’ny iraisampirenena. Mila asongadina ny endriky ny fizahantany mampalaza ity firenena ity. Mitana anjara asa lehibe koa, noho izany, ny fampahafantaran’ireo masoivohontsika any ivelany ireo toerana mahasarika eto Madagasikara. Iangaviana, noho izany, ny minisiteran’ny fizahantany hampandray anjara ireny masoivohontsika any ireny. Sanatrian’ny vava, aoka tsy ho ampanaovina fialantsasatra any fotsiny ireo masoivohontsika! Indraidray izy ireny mijanona any 4 taona na 8 taona. Inona no entin’izy ireo ho an’ny firenentsika? Volam-bahoaka no hanakaramàna an’ireny. 2 miliara no isan’ny mpizahantany maneran-tany, izany hoe, ¼-ireo mponina eto ambonin’ny tany isan-tany. Firy amin’izay no mankaty Madagasikara. Tratra ve ilay 500.000 isan-taona? Ny tarehimarika no manambara fa tsy tratra izany tanjona izany satria 230.000 no isan’ny mpizahantany tamin’ny taona lasa, izany hoe tsy nahatratra ny atsasany akory. Efa nahatratra 370.000 nefa talohan’izay. Nametraka vina indray izao ny fitondràna fa hanatratra mpizahantany 1 tapitrisa amin’ny fiafaran’ny taona 2028, izany hoe mila mahatratra mpizahantany 90.000 isam-bolana izany isika nefa 32.000 eo no tratra rehefa «haute saison», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i