airtel

Actualités

07-juin-2024

Durlin Retogniane

«Tsy nohenoin’ny fanjakana ny zavatra notakian’ireo mpamatsy vola ireo»

Sample post image

Mifandray ankehitriny ny raharaham-pirenena anatiny sy diplaomasia, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

07-juin-2024

Betsaka, hoy izy, ireo toromarika na «recommandation» notakian’ny vondrona eoropeanina, indrindra, talohan’ireny fifidianana filoham-pirenena ireny. Akory anefa ny hagagana fa nanomboka tamin’izay fifidianana filoham-pirenena izay, nandalo izao fifidianana solombavambahoaka izao, dia tsy nohenoin’ny fanjakana ny zavatra notakian’ireo mpamatsy vola ireo. Lojika rehefa tsy voahaja izany ireo fepetra maro samihafa eo amin’izay lafiny diplaomasia izay dia lasa ny fitondram-panjakana amin’izay izany no nanangana ady amin’ny vondrona eoropeanina ka nangataka fanalana na fanoloana ny masoivohon’io vondrona io na dia taty amin’ny fiafaran’ny fotoam-piasan’ilay ramatoa aza. Nisy fiantraikany izany ary ao anatin’izay fiantraikany izay ny tsy fahazoantsika ilay vola tokony ho fanampiana avy amin’izay vondrona eoropeanina izay. Mety vokatr’izany no mahatonga ny filoham-pirenena mivoaka matetika hatrany isaky ny misy fihaonambe mba hahafahana mandresy lahatra ireo firenena hafa ankoatran’ny mahazatra. In-2 izy izay tany amin’ny firenena arabo. Vao tsy ela koa no tany amin’ny fivoriana izay natrehiny tany Torkia. Izao indray izany dia nanatrika fivoriana tany Korea atsimo koa. Noho ny fitavozavozana teo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ny vondrona eoropeanina izany dia lasa manao dingan-davitra isika amin’izao fotoana izao mitady fiaraha-miasa amina firenena vaovao ary manova ilay diplaomasia. Mbola tsy voafaritra tsara koa nefa hatreto ilay diplaomasia hoe mirona any amin’ny ekonomika ve sa mankany amin’ny fanatsarana tontolo iainana izay efa miha potika koa amin’izao fotoana izao sa fanatsarana ny resaka fifandraisana eo amin’ireo mpamatsy vola vahiny mba hahafahana misarika ireo mpampiasa vola vahiny amin’ireo firenena vaovao itadiavantsika fifandraisana ireo? Ny ampitso no hamaritra azy satria misy fepetra takian’izany koa dia eo ny resaka fanjakana tsara tantana sy fandriampahalemana. Raha voahaja ireo dia azo heritreretina ny ahatongavan’ny mpampiasa vola eto amintsika mba hahafahana mamoron’asa sy misitraka izay famatsiam-bola amin’ireo firenena ireo izay. Ny vondrona eoropeanina nefa no tena mpamatsy vola betsaka indrindra eto ka mety hisy fiantraikany io na dia misy aza ny fiaraha-miasa amin’ireo firenen-kafa vaovao. Andeha ataontsika hoe manilika an-kolaka ny tandrefana ny fitondrana ankehitriny satria hafetsena ny diplaomasia. Sarotra ho an’ny firenentsika, izay mbola anaty fahasahiranana amin’izao fotoana izao, ny tonga dia hanilika mivantana ny vondrona eoropeanina. Mpiara-miasa efa tena mafy izany vondrona eoropeanina izany, tsy azontsika ialana vetivety. Ny dingana fifandresen-dahatra ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao dia tetezamita ialana tsikelikely amin’ireo mpamatsy vola mahazatra nefa isika tsy naha voahaja ny fepetra napetrak’izy ireo, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap