airtel

Actualités

16-juil-2024

Edgard Razafindravahy

Voatendry ho sekretera jeneralin’ny COI

Sample post image

Ny minisitry ny indostria sy ny varotra, Edgard Razafindravahy, no natolotry ny minisitry

16-juil-2024

ny raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ho kandida amin’ny toeran’ny sekretera jeneralin’ny kaomisionin’ny ranomasimbe indianina na COI, handimby ny sekretera jeneraly teo aloha, izay lany fotoam-piasana amin’ity anio 16 jolay 2024, ny Pr Vêlayoudom Marimoutou. Nisy, noho izany, omaly ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo filankevitry ny minisitra aty amin’ny COI, izay natao tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra na «en ligne», hanendrena izay Sekretera jeneraly faha 10 teo amin’ny tantaran’ny COI izay. Nolanian’ny filankevitra moa ny kandida malagasy ary nanaiky izany avokoa ny solontenan’ireo firenena rehetra nandray anjara, hoy ny fampitam-baovao voaray sy fanazavana. Taorian’ny fanolorana ny kandida malagasy, Monique Esoavelomandroso, 20 taona taty aoriana izany vao nisy malagasy nekena handray izany toerana izany indray. Nilaza moa ny sekretera jeneraly vaovao, Edgard Razafindravahy fa vonona hanohy ny asan’ny teo alohany sy hijery izay mahasoa ireo firenena mikambana anaty COI ny tenany. Nosongonan'ny vahiny amin’ny fanaovana tombana, araka izany, teto ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, satria manaiky ity minisitra lasa sekretera jeneralin’ny COI ity ny sehatra iraisampirenena Ity sekretera jeneraly ity eto tsinona no heverina ho toy ny lohalaharana mamono ny baolina tsy azo ihodivirana, raha oharina amin’ny lalao baolina kitra. Heverina ihany koa fa mahay, mahafehy ny asany ka rariny raha tonga amin'izao sehatra izao. Ho sahy hitaky ny «Îles éparses» na ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ve nefa izany Edgard Razafindravahy izany amin'io andraikitra raisiny io? Fitakiana izay toa mody fohazina hatrany rehefa misy fifidianana? Tsiahivina rahateo fa ny firenena Frantsay izay heverina fa mibodo izany nosy manodidina izany dia soloin’ireo departemantany toa an’i Maioty sy La Reunion aty amin’ny ranomasimbe indianina aty.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap