airtel

Actualités

24-mars-2025

Efa namono olona 2 ny fiakaran’ny rano

Anaty loza mitatao Antananarivo Atsimondrano…

Sample post image

Taorian’Antananarivo Avaradrano izay lasibatry ny tondra-drano tapa-bolana lasa,

24-mars-2025

dia anaty loza mitatao na fanairana miloko mena ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano noho ny fiakaran’ny rano. Noho ny rotsak’orana be dia be ny sabotsy teo, namoaka filazana fanairana mena ho an’ny lemaka manodidina an’Antananarivo ny APIPA, indrindra fa ireo faritra amoron’ny reniranon’i Sisaony. Nahatratra 100 mm ny rotsak’orana tany Andramasina, ka nahatonga fiakaran-drano haingana izay mampitatao ireo kaominina maro ao amin’ny Grand Tana, toy ny Ampitatafika, Itaosy, Fenoarivo, ary Ambohitrimanjaka. Mihatra amin'ireto kaominina manaraka ireto ny filazana fampitandremana miloko mena na loza mitatao vokatry ny fiakaran'ny renirano Sisaony : Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe. Efa namoizana ain’olona roa ny fiakaran’ny rano nandritra iny faran’ny herinandro iny noho ny fahavakisan’ny fefiloha teny Ambohijanaka, ka nisian’ireo zaza 9 sy 5 taona lasan’ny rano izay namoy ny ainy, ankoatra ny fahapotehana samihafa. Raha ny tatitra omaly tamin’ny 02 ora tolakandro, ny haavon’ny reniranon’i Sisaony dia efa nahatratra 4,25 m teo amin’ny haavony teo Ampitatafika tamin’ny 12 ora atoandro, niakatra 0,13m tao anatin’ny 2ora, izay mihoatra lavitra ny fetran’ny filazana miloko mena (3,50 m). Vinavinaina hitoetra hatrany ny oram-baratra eto amin’ny Nosy. Tombanana ho betsaka kokoa ny rotsakorana amin’ny toerana sasany amin’ny afovoan-tany. Mety ho 35 hatramin’ny 50mm ny tahan’ny rotsakorana andrasana ao anatin’ny 24 ora indrindra any amin’ny ilany ho an’ Analamanga, ny distrikan’i Antanifotsy, Ambatolampy, Moramanga ary Anosybe an’Ala. Noho izany, mbola hiakatra hatrany ny rano anatin’ny 12 ora ho avy, ka mampitombo ny loza ateraky ny tondra-drano amin’ireo faritra voakasik’izany, hoy ny filazana omaly tolakandro. Miangavy ny mponina mba ho mailo, hifampizara vaovao, ary hanaraka ireo toromarika napetraky ny tompon’andraikitra hisorohana ny loza mety hitranga, hoy ny toromarika. Vokatry ny tondra-drano, misy fiantraikany amin’ny rano fisotro madio koa ity toe-draharaha ity. Nambaran’ny Jirama fa dibo-drano ny toby famokarana rano any Ankadivoribe, ka manelingelina ny fizarana rano amin’ny faritra Ankadivoribe, Andoharanofotsy, Mahabo, ary Iavoloha. Antony iray tokony hitandreman’ny mponina any amin’ireo toerana ireo izany, ary tokony hanaraka ny toromarika avy amin’ny manampahefana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap