airtel

Actualités

15-oct-2024

EFITRANO MISY NY EMETTEUR-N’NY RDJ

May kilan’ny afo noho ny fiovaovan’ny tanjaky ny herinaratra

Sample post image

May kilan’ny afo ny efitrano misy ny Emetteur-n’ny Radio des Jeunes na ny RDJ eny Ambohimitsimbona.

15-oct-2024

Tamin’ny Zoma 11 Oktobra lasa teo no nitrangan’izany raha araka ny vaovao azo vokatry ny fiakaran’ny herinaratry ny JIRAMA matetika teny amin’iny faritra iny. May vokatr’izany avokoa ireo karazam-pitaovana tao anatiny toy ny stabilisateur, ny onduleur, ny alimentation faisceau ary ny final emetteur. Tsy ny RDJ eto Antananarivo ihany no fantatra fa misedra olana tahaka izany fa voakasika ihany koa ny RDJ ao Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga sy ny web radio hany sisa mandeha hoy hatrany ny vaovao. Tapaka avokoa araka izany ny fihainoan’ny mpihaino ny RDJ any amin’ireo faritra ireo. Vao ny RDJ eto Antananarivo kosa no mandeha hatramin’ny omaly Alatsinainy 14 Oktobra nanomboka tamin’ny 06 ora sy sasany maraina teo.
Pati
Legende : Kilan’ny afo tahaka izao avokoa ireo karazam-pitaovana tao amin’io efitrano io !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap