Raha hiverenana, niteraka resabe tany an-toerana ny fahafatesan’ity tovovavy ity, izay ny vatana mangatsiakany sisa naterina tany amin’ny fianakaviany. Tao anaty fanadihadiana no nahalalana fa tsy hiasa no nandefasana azy teto Antananarivo fa hipetraka amina olona noho ny fahasahiranan’ny reniny, hoy ny tatitra. Nambaran’ireo olona nipetrahany fa nilaza ho tsy tamana foana anefa i Hianja ary ny 03 janoary teo izy no nitaraina fa narary an-doha ka nantsoina ny reniny mba ahafahana mampody azy any Manazary. Ny marainan’ny 04 janoary, tsy nahatsiaro tena tampoka izy ka nentina tany amin’ny mpitsabo ary ity farany indray no nandefa azy teny amin’ny Hopitaly Anosiala Ambohidratrimo. Voalaza fa nandritra izany, dia efa nantsoina ny reniny hiakatra teto Antanananarivo kanjo efa tsy tana intsony ny ain’ilay zaza. ACR na “Arrêt cardio-respiratoire” no voarakitra ho nahafaty azy. Ireo mpivady izay nipetrahan’i Hianja ireo ihany no voalaza fa nanatitra ny razana tany Manazary tamin’ny 04 janoary 2023.
Nangonin’i Toky R
Tanterahina eto Madagasikara ny Andro Afrikanina faha-15 an’ny Skotisma,
Nitrangana haintrano omaly Alarobia 12 Martsa tokony ho tamin’ny 01 ora teo amin’ny
Miandry ny fitsarana azy eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy
Raha ny mikasika ny fanavaozana natao momba ny fehezan-dalàna mifehy ny asa,