Tafiditra ao anatin’izany ny Malagasy izay maro an’isa tokoa vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Eo koa ny hadisoam-panantenana sy ny fisarahana tamin’ny vady na olon-tiana, ny tsy fananan’asa….. Raha araka ny fanazavan’ny psikology iray dia mivadika ho aretin-tsaina mihitsy ny fahaketrahana ara-tsaina rehefa tsy voafehy sy voatsabo. Mila manatona psikology avy hatrany ohatra ny olona iray tsy mahatsapa hafinaretana intsony amin’ny fiainana, mandalo alahelo lalina loatra, mora mitomany sy feno hakiviana….Ho antsika Malagasy dia fantatra fa ireo voasokajy ho sahirana no tena mandalo ity fahaketrahana ara-tsaina ity raha mbola hahiliky ny fiaraha-monina ihany koa avy eo. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa notanterahin’ny Psy-kozy sy ny JCI Mayendeleyo teny amin’ny CIDST Tsimbazaza mikasika ny fahaketrahana ara-tsaina. Nodinihin’ny roa tonta nandritra izany ny fomba tsaratsara kokoa handraisana an-tanana ireo tratry ny fahaketrahana ara-tsaina mba tsy ho sanatria ho tonga any amin’ny famonoan-tena izany. Rehefa diso be loatra mantsy io tranga io ho an’ny olona iray dia mihafara amin’ny famoizam-po izany.
Pati
Legende : Ireo mpandray anjara tao anatin’ilay atrikasa !
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i